FANAVAOZANA NY FEHEZAN-DALANA MOMBA NY HARENA AN-KIBON’NY TANY : fanampim-panazavana momba ny volavolan-dalàna laharana faha-005/2023 mikasika izany

« 12 taona no niandrasana sy niandrandran’ny maro ny fanavaozana ny lalàna mifehy ny harena an-kibon’ny tany, ka ity volavolan-dalàna voadinika sy nitondran’ny Loholona fanavaozana sy fanitsiana farany ary nolanian’ny Solombavambahoaka ity no hanome ny lalàna vaovao », raha ny nambaran’ny Minisitry ny harena an-kibon’ny tany sy ny loharanonkarena stratejika RAKOTOMALALA Herindrainy Olivier manoloana ny mpanao gazety teny amin’ny Antenimierampirenena Tsimbazaza, taorian’ny nandanian’ireo Solombavambahoakan’i Madagasikara izany omaly Alarobia faha-07 Jona 2023..

Santionany amin’ireo andinin-dalàna nasiam-panavaozana izay nitondrany fanazavana :

  – Fitantanana mangarahara

 – Tamberin’andraikitra

 – Fanomezan-danja ny fiaraha-miasa eny ifotony

 – Fampiasam-bola marin-toerana

 – Fampanarahan-dalàna 

 – Fampidirana amin’ny sehatra ara-dalàna ny fitrandrahana madinika

 – Akora stratejika 

  – Hetra sy tamberim-bidy 

Marihana fa ny taona 1999 no nandrafetana ny lalàna mifehy ny harena an-kibon’ny tany izay nasiana fikitihana ny taona 2005, mialohan’ny nirosoana tamin’ny fanavaozana sy nahatongavana tamin’ny faneken’ny Antenimiera roa tonta azy izao. Ity lalàna nohavaozina ity dia manome lanja bebe kokoa ireo vondrom-bahoakam-paritra itsinjaram-pahefana, izay hanana andraikitra amin’ny fanaraha-maso ny asa fitrandrahana eny ifotony, ny fandraisana anjara amin’ny famaritana ny fandraisana andraikitra ara-tsosialin’ireo orinasa mpitrandraka harena an-kibon’ny tany, ary ho tafiditra ho isan’ny mpikambana ao anatin’ny Comité National des Mines na CNM.

Indro zaraina amintsika etoana izany fanampim-panazavana nentin’Andriamatoa Minisitra izany.

Tsiahy : Azonao averina arahana amin’ity rohy ity fanazavana teo aloha efa nentin’Andriamatoa Minisitra momba ity Volavolan-dalàna Code Minier vaovao ity :  https://mmrs.gov.mg/?p=1145

Photo : Assemblée Nationale

MMRS/DCRI – Juin 2023