AKOM-BAOVAO DRMRS MELAKY

Taorian’ny fidinana ifotony izay natao tany amin’ny Distrika Antsalova sy Ambatomainty dia ny Distrika Morafenobe indray no notsidihan’ny ny Talem-paritry ny harena ankibon’ny tany DRMRS Melaky RAZANADRATEFA Zotonokinendry sy ny ekipany, ny Alarobia 14 Jona 2023. Fampahafantarana ny momba ny volavolan-dalàna 005/2023 mifehy ny harena an-kibon’ny tany vaovao sy ny lafiny samihafa momban’ny asa fitrandrahana ny harena an-kibon’ny tany no votoatin-dresaka.  Liana dia liana hatrany ireo mpandray anjara, nahitana ireo tomponandraikitra isan-tokony : olom-boafidy, olom-boatendry, lehiben’ny sampandraharaha miankina sy tsy miankina amin’ny Fanjakana, filohan’ny fikambanana samihafa ary maro ireo nandray anjara tamin’ny fifanakalozan-kevitra. Ny tao amin’ny distrika Ambatomainty dia naneho manokana ny fahavononany sy nangataka ny hampidirana ho ara-dalana izay misehatra momba ny vato Cristal sy volamena any an-toerana.

Fampitam-baovao sy sary : Talem-paritra DRMRS Melaky

MMRS/DCRI-Juin 2023