Hetsika Iraisam-pirenena ho an’ny Faritra Andiany faha-6 Tôlagnaro, 15-16-17 Jona 2023

« Faritra Anôsy, fagnoitsy amin’ny fampivoara aty Atsimo »

Nandray anjara tamin’ny fankalazana ny Hetsika Iraisam-pirenena ho an’ ny Faritra Andiany faha-6 na Journées Internationales des Régions izay natao tao Tôlagnaro ny Fitaleavam-paritry ny harena an-kibon’ny tany sy ny loharanonakarena stratejika DRMRS Anosy.

Nanomboka ny 15 Jona 2023 ary naharitra telo andro ny fankalazana ary nahitana hetsika maro toy ny fampirantiana ny vokatra sy ny harenan’ ny Faritra, fitsidihana ireo toerana manan-tantara, adihevitra ara-toekarena niarahana amin’ireo Malagasy ampielezana any ivelany sy ireo mpiara-miombon’ antoka ary mpampiasa vola.

Nanokatra ny hetsika Ramatoa Yvette SYLLA, Minisitry ny Raharaham-bahiny sady nisolo-tena ny Praiminisitra Lehiben’ny Governemanta, naneho ny faniriany izy mba hitondra fiatraikany tsara sy mahomby ity hetsika telo andro ho an’ ny Faritra ity. Mamporisika ny fisian’ ny fiaraha-miasa eo amin’ ny Faritra, ny mpandraharaha ara-toekarena sy ara-bola ary ireo malagasy any am-pielezana koa ny tenany. Nanotrona tany an-toerana ihany koa ny Minisitry ny Fanajariana ny Tany sy ny Fananan-tany, ny Minisitry ny Fambolena sy ny Fiompiana  ary ireo Masoivoho sy ireo Mpiara-miombon’ antoka miasa eto Madagasikara.

Ny Faritra Anôsy dia anisan’ny Faritra be harena ary naneho ny fahavononany Andriamatoa Governora hanatanteraka ireo vinam-papandrosoana entina hampivoarana ny Faritra.

Fampitam-baovao sy sary : Talem-paritra DRMRS Anosy

MMRS/DCRI – Juin 2023