KAOMININA AMBANITSENA MANJAKANDRIANA : FIDINANA IFOTONY MIKASIKA NY FANAVAOZANA PRE SY FANADIHADIANA IREO ZONES D’ENCADREMENT

Tontosa ny 13 hatramin’ny 15 jona 2023 lasa teo ny fidinana ifotony tany amin’ny Kaominina AMBANITSENA, Distrika MANJAKANDRIANA, Faritra ANALAMANGA izay nataon’ny Komity misahana ny fanavaozana ny PRE na Permis Réservé aux Petits Exploitants Miniers sy ny fanatanterahana ny tombana ho an’ireo Zones d’Encadrement eto Antananarivo ; Komity  izay ahitana ny avy ao amin’ny DEPGM, DIRA, DRES ary ny BCMM.

Mialoha izay dia nisy ny fihaonana niarahana tamin’ireo tompon’ny Fahazoan-dalana PRE hitrandraka, izay hangatahana Fanavaozana ankehitriny. Nisy ihany koa ny Fihaonana tamin’ny Ben’ny Tanana ao Ambanitsena izay nanazavana ny anton’izany fidinanana ifotony izany, nampahafantarana koa ny fisian’ireo fahazoan-dalana hitrandraka izay tafiditra ao anatin’ny Kaominina Ambanitsena.

Nofaranana tamin’ny fampahafantarana fohifohy ny momba ilay volavolan-dalàna vaovao N° 005/2023 mifehy ny Harena an-kibon’ny tany moa ny fivoriana, nialohan’ny nidinana ifotony tany amin’ireo toerana voakasik’ireo PRE hanaovana fanadihadiana.

Fampitam-baovao sy sary : Talem-paritra DIRMR