AKOM-BAOVAO AMORON’I MANIA : FIDINANA IFOTONY MIALOHA NY FANAVAOZANA NY PRE SY FITSIRIHANA IREO ZONES D’ENCADREMENT, FITALEAVAM-PARITRA AMORON’I MANIA SY NY EKIPAN’I CSSE ANTANANARIVO

Dingana tsy maintsy lalovana mialoha ny fanavaozana ny fahazoan-dalana hitrandraka ny fidinana ifotony hijerena imaso ny zava-misy any an-toerana. Araka izany, toeram-pitrandrahana harena an-kibon’ny tany maro manerana ny District 4 ao amin’ny Faritra Amoron’i Mania, dia ao amin’ny Kaominina : Fandriana, Andina, Ihadilanana, Mahazina Ambohipierenana, Andakatany, Ambatofinandrahana ary Itremo no nidinana ifotony nanomboka 11 Jona ka hatramin’ny 19 Jona lasa teo. Ireo toeram-pitrandrahana ireo dia nahitana PRE 6 sy Zones d’Encadrement 11.

Talohan’ny fidinana ifotony dia nisy fihaonana tamin’ireo ben’ny tanàna tany an-toerana ka nahafahana nahampahafantatra azy ireo ny fehezan-dalana mahakasika ny an-kibon’ny tany sy nanazavana ny anton’ny fidinana ifotony nataonnyi ekipan’ny Ministera.

Santatra am-bava rano ihany Izao fa mbola maro ny toeram-pitrandrahana tsy maintsy mbola hidinana ifotony tsy ho ela.

Fampitam-baovao sy sary : Talem-paritra DRMRS Amoron’i Mania