AKOM-BAOVAO DRMRS ALAOTRA MANGORO : FIDINANA IFOTONY MOMBA FANAVAOZANA PRE SY IREO ZONES D’ENCADREMENT

Kaominina miisa valo : Bemaitso, Andilamena, Antanimenabaka, Andromba, Amboavory, Antanandava, Andilamena, Tanananifololahy, ao anatin’ny Distrika Ambatondrazaka, Amparafaravola, Andilamena, Faritra ALAOTRA MANGORO no nidinana ifotony nandritry ny roa herinandro.

Arak’izany dia tontosa ny 14 ka hatramin’ny 21 jona 2023 ny fidinana ifotony izay nataon’ny komity misahana ny Renouvellement PRE sy ny Evaluation ZE (Zone d’Encadrement), izay ahitana ny solontena avy any amin’ny Ministera foibe DPDRS, DRMRS Alaotra Mangoro sy ny BCMM.

Nisy ny fihaonana niarahana tamin’ireo tompon’ny Fahazoan-dalana PRE hitrandraka, izay hangatahana Fanavaozana ankehitriny sy ireo tompon’andraikitra amin’ireo Zone d’Encadrement voakasik’izany mialohan’ny hidinan’ny komity eny ifotony.

Nisy ihany koa ny fihaonana tamin’ny Lehiben’ny Distrika sy ny ben’ny tanàna tsirairay nampahafantatra ny anton’ny fidinana ifotony ka nanamarinana ihany koa ny Tatitra izay natao.

PRE miisa valo (08) sy ZE miisa telo ambin’ny folo (13) tao anatin’ny Distrika Andilamena, Ambatondrazaka, Amparafaravola no nidinana ifotony nandritra izany fotoana izany.