FARITRA MATSIATRA AMBONY : FIDINANA IFOTONY MIKASIKA NY EVALUATION NY PERMIS PRE SY ZONE D’ENCADREMENT TAO AMIN’NY DISTRIKA IKALAMAVONY
Toy ireo izay efa tanterahana manerana ireo fari-piadidian’ny Fitaleavam-paritra manerana ny Nosy, ny 14 hatramin’ny 20 Jona 2023 dia nisy ny fidinana ifotony tao amin’ny Distrika IKALAMAVONY, Kaominina Ikalamavony sy Fitampito, ho fanombohana ny tombana izay atao amin’ireo Permis miniers PRE, alohan’ ny hanavaozana azy, sy ireo Zones d’Encadrement alohan’ny hamadihana azy ho PRE.
Izany dia niarahan’ny Komitin’ny fanavaozana Permis izay nahitana ny DIRMRS FIANARANTSOA, ny Direction BCMM FIANARANTSOA, ny avy eo anivon’ny DRES ANTANANARIVO, ary ny POLICE DES MINES ANTANANARIVO. Teo ihany koa ireo mpandraharaha harena an-kibon’ny tany, tompon’ny fahazoan-dalana hitrandraka PRE sy Zone d’Encadrement izay tsy maintsy manaraka ny tombana izay natao.
Nampahafantarina an’ireo tompon’andraikitra ara-panjakana tao an-toerana ny anton-dia sy ny asa izay hatao, ary izy ireo ihany koa dia nanamora tamin’ny fanatontosana ny asa, ka isaorana azy ireo izany. Nizotra am-pilaminana ny asa ary nisy ihany koa ny fanentanana natao tamin’ireo mpitrandraka, ny fampahafantarana ny fanarahan-dalàna mikasika ny fitrandrahana sy fitaterana ny harena an-kibon’ny tany. Mbola mitohy moa izany tombana izany ho an’ireo permis miniers sy Zones d’Encadrement ao anivon’ny Faritra Matsiatra Ambony sy Ihorombe.
Fampitam-baovao sy sary : Tale iraisam-paritra DIRMRS Fianarantsoa