AKOM-BAOVAO DIRMRS ANDROY, ATSIMO ANDREFANA : FIDINANA IFOTONY FANAOVANA TOMBANA MIALOHA NY FANAVAOZANA PRE SY FANARAHA-MASO IREO ASA VATO AO AMIN’NY « ZONE D’ENCADREMENT » TAO FOTADREVO – MANIRY – AMPANIHY – IANAPERA -AMBAHITA
Efa samy roso tanteraka amin’ny fanaovana tombana mialoha ny fanavaozana ireo fahazoan-dalana ho an’ny mpitrandraka teratany PRE sy fitsirihana ny fizotry ny asa ao anatin’ireo toerana voafaritra ho « Zone d’encadrement » nazahoana alalana ny eto anivon’ny Ministeran’ny harena an-kibon’ny tany sy ny loharanokarena stratejika.
Tontosa ny faha-19 hatramin’ny 24 Jiona 2023 ny fidinana ifotony tapany faharoa ho an’ny fari-piadidian’ny Fitaleavana iraisam-paritra Atsimo Andrefana sy Androy. Efa vita tamin’ny faha-09 hatramin’ny 14 May kosa ny tapany voalohany tamin’izany.
Kaominina sy Distrika maromaro no nahavitana asa, nahitana ny:
– Kaominina ambanivohitra Fotadrevo, Distrika Ampanihy-Andrefana, Faritra Atsimo-Andrefana ;
– Kaominina ambanivohitra Ambahita, Distrika Bekily, Faritra Androy;
– Kaominina ambanivohitra Ianapera, Distrika Benenitra, Faritra Atsimo-Andrefana ;
– Kaominina Maniry sy Ampanihy, Distrika Ampanihy-Andrefana, Faritra Atsimo-Andrefana.
Niara-nisalahy tamin’ny Fitaleavana iraisam-paritra Atsimo-Andrefana sy Androy nanatanteraka izany koa ireo mpiara-miasa avy amin’ny DGRS sy DEPGM samy avy any amin’ny Ministera foibe Antananarivo, ny solotenan’ireo mpitrandraka isan-tokony, ny avy amin’ny Kaominina ary ny mpitandro filaminana.
Notontosaina nandritra ny fidinana ifotony ny fanaovana »localisation » ny toerana izay misy toeram-pitrandrahana harena an-kibony tany ao anatin’ny PRE/ZE, niaraka amin’ny fakana sary; fanaovana tombana ireo »formation géologique » hita any anivon’ny PRE sy/na ZE; fitsirihana ny lafiny ara-tontolo iainana; Fanadihadiana teny anivon’ny Kaominina sy/na Fokontany voakasiky ny PRE sy ZE izay nandalovana.
Ankoatr’izay dia misy hatrany ny fifanakalozan-kevitra amin’ireo mpitondra ifotony sy ireo mpitrandraka ary koa fanentanana ny rehetra hanaraka ireo voalazan’ny Lalàna mifehy ny harena an-kibon’ny tany, ary fanatsidihana sahady ny fihavaozan’io Lalàna io ka hampahafantarina miandalana ireo tsara ho fantatra momba izany.
Samy nisaotra ny mpidina ifotony ny rehetra ary nanome toky fa hanaraka ny toro-marika rehetra hanaovana asa fitrandrahana hitondra voka-tsoa ho an’ny rehetra. Naneho ny faniriany ireo mpandraharaha ny mba hivoahan’ny fanavaozana PRE tsy ho ela.
Mbola hitohy ny fidinana ifotony any amin’ireo toerana misy PRE sy ZE hafa aoriana kely ao.
Fampitam-baovao sy sary : Tale iraisam-paritra Atsimo-Andrefana sy Androy