FARITRA ANALANJIROFO SY FARITRA ATSINANANA : MITOHY NY FANAOVANA TOMBANA NY HO FANAVAOZANA PRE SY FIJERENA IREO ZONES D’ENCADREMENT

Tao amin’ny Kaominina Saranambana, Distrika Fenoarivo Atsinanana, Faritra Analanjirofo indray no nanatanterahana fidinana ifotony ho fanaovana tombana mialoha ny fanavaozana ireo fahazon-dalana ho an’ny mpitrandraka madinika na PRE sy ny fijerena ireo Zones d’Encadrement, ny 13 ka hatramin’ny 16 Jolay 2023 ; ary tao amin’ny Kaominina Ampasimadinika, Distrika Toamasina II, Faritra Atsinanana ny 17-18 Jolay 2023.

Niara-nanatontosa izany ny teo anivon’ny MMRS tamin’ny alalan’ny Fitaleavana iraisam-paritry ny harena an-kibon’ny tany sy ny loharanon-karena Stratejika TOAMASINA, ny BCMM TOAMASINA, ny DPDRS avy amin’ny Ministera Foibe.

Nisy hatrany koa ny fifanakalozan-kevitra amin’ny mpitondra ifotony sy ny mpitrandraka ary ny fanentanana azy ireo mikasika ny lalàna mifehy ny harena an-kibon’ny tany.

Maniry ny hanafainganana ny fahazahoana ny PRE sy ny hamadihana ireo Zones d’Encadrement ho lasa PRE moa ireo mpitrandraka madinika mba afahan’izy ireo miverina amin’ny asany ao anatin’ny fanarahan-dalana tanteraka.

Fampitam-baovao sy sary : DIR Toamasina.

MMRS/DCRI – Juillet 2023