FARITRA VAKINANKARATRA : FIDINANA IFOTONY FANAOVANA TOMBANA HO AMIN’NY FANAVAOZANA NY PRE SY FITSIRIHANA IREO ZONES D’ENCADREMENTS NAHAZO ALALANA

Nitohy tamin’ny herinandron’ny faha 03 Jolay sy ny faha 10 Jolay lasa teo ny fidinana ifotony amin’ny fanaovana tombana mialoha ny fanavaozana ireo fahazoan-dalana hitrandraka ho an’ireo mpitrandraka madinika PRE sy fitsirihana ireo « zones d’encadrements » nahazo alalana tao Vakinankaratra ka ny tao amin’ny Distrikan’ny BETAFO no nanohizana izany.

Niara-nanatanteraka izany ny ao avy ato amin’ny Fitaleavam-paritry ny Harena an-kibon’ny Tany sy ny Loharanon-karena Stratejika DRMRS Vakinankaratra, ny avy ao amin’ny BCMM Vakinankaratra ary ny ekipa CSSE avy any Antananarivo.

 Kaominina maromaro no nidinana ifotony dia ny tao amin’ny Kaominina Alakamisy Marososona, Kaominina Antsoso, Kaominina Anosiarivo Manapa ary ny Kaominina Andrembesoa izay samy ao anatin’ny Distrikan’ny BETAFO avokoa.

Notanterahana mandritra izany koa ny fampahafantarana an’ireo fikambanan’ny mpitrandraka madinika momba ny lalàna mifehy ny Harena an-kibon’ny Tany sy ireo rehetra tokony atao mba hikajiana ny tontolo iainana ary ny fomba tokony hitantanana tsara ny ara-bolan’ny fikambanana.

Naneho ny fahavononany moa izy ireo ka samy miandry ny fivadihan’ny « zone d’encadrement » ho PRE. Ireo tompon’ny PRE ihany koa dia efa maniry ny mba ahazoana haingana ny fanavaozana ny PRE an’izy ireo mba ahafahany miasa sy mamoaka vokatra ao anatin’ny fanarahan-dalàna.

Fampitam-baovao sy sary : Talem-paritra DRMRS Vakinankaratra