LALAON’NY NOSY 2023 : TONGA NITSIDIKA SY NANOME TOSIKA HO AN’IREO MPILALAO TSIPY KANETIBE, ANATIN’NY FAMPIVONDRONANA, IREO MINISITRA ROALAHY MPIAHY NY TARANJA

Efa saika niroso amin’ny fampivondronana avokoa ankehitriny ireo atleta isan-tsokajiny handray anjara amin’ny Lalaon’ny Nosy andiany faha-11 izay hotontosaina eto Madagasikara ho an’ity taona 2023 ity. Ho an’ny Federasiona malagasy misahana ny taranja Tsipy Kanetibe manokana dia nanomboka ny Alatsinainy 24 Jolay 2023 ny fampivondronana ireo mpandray anjara lahy sy vavy, miampy mpanazatra sy mpitantana miisa 32, izay mandrafitra ny delegasiona.

Tonga nitsidika azy ireo teny amin’ny Complexe Sportif CNaPS Vontovorona, ny harivan’ny Talata 25 jolay 2023 ireo Minisitra mirahalahy mpiahy ity Taranja Tsipy Kanetibe ity, dia ny Minisitry ny harena an-kibon’ny tany sy ny loharanonkarena stratejika RAKOTOMALALA Herindrainy Olivier sy ny Minisitry ny asa, ny fampanan’asa ary ny lalàna sosialy Richard Jean Bosco RIVOTIANA.

Nihaino ireo tomponandraikitra sy ny atleta ireto mpikambana ao amin’ny Governemanta ireto, namantatra ireo pitsopitsony mbola hilàna fanampiana sy hanohanana ireo mpilalao, ankoatra ireo izay efa raisin’ny Fitondram-panjakana an-tanana.  Nitondra fankaherezana ara-moraly sy fampirisihana fa indrindra ihany koa fanohanana ara-bola ho an’ireo mpilalao sy ny mpitantana ho fanomanana izany fiatrehana ny Lalaon’ny Nosy 2023 izany.

Nanambara ny Minisitra RAKOTOMALALA Herindrainy Olivier, fa santatra am-bavarano ihany ity fitsidihana natao androany ity, fa hojerena akaiky ireo teboka mbola ilàna fanampiana na olana maika mila vahàna.

Nankasitraka ny fihetsika nataon’ireo Minisitra mirahalahy ireo mpitantana sy mpilalao, ary nanome toky fa hanao izay tratry ny heriny amin’ny fandrombahana medaly maro, mba hanandratana avo ny voninahi-pirenena.  Niara-dia tamin’ireo Minisitra mirahalahy mpiahy ny taranja, nihaona tamin’ireo mpilalao ny Filoha lefitry ny Federasiona malagasy ho an’ny tsipy kanetibe, Hery Rasolonirina.

MMRS/DCRI – Juillet 2023