FARITRA MENABE : FIDINANA IFOTONY HO AN’NY FITSIRIHANA IREO ZONES D’ENCADREMENT NAHAZO ALALANA

Paikady napetraky ny fitondram-panjakana, mba hanampiana ireo fikambanana sy vondrona mpitrandraka madinika manao asa vato na volamena, ny fametrahana ny Zone d’Encadrement. Amin’ny alalan’ireo Fitaleavam-paritra manerana ny Nosy, ny Ministeran’ny harena an-kibon’ny tany sy ny loharanonkarena stratejika dia manome tantsoroka eny ifotony, mba hanampiana azy ireo hanatanteraka ny asa fitrandrahana ao anatin’ny sehatra ara-dalàna sy amin’ny fomba matihanina.

 Natao tamin’ny 10 Jolay ka hatramin’ny 21 Jolay 2023 lasa teo ny fidinana ifotony amin’ny fitsirihana ireo « zones d’encadrement » nahazo alalana tao amin’ny Faritra Menabe.

Nanatanteraka izany ny teo anivon’ny Fitaleavam-paritra ny Harena an-Kibon’ny Tany sy ny Loharanon-Karena Stratejika DRMRS Menabe, ka zones d’encadrement miisa fito no nanaovana fitsirihana tao amin’ny Kaominina Dabolava, Kaominina Andranomainty , Kaominina Isalo, Kaominina Ambatolahy izay samy ao anatin’ny Distrikan’ny MIANDRIVAZO, ary tao amin’ny Kaominina Tsimazava izay ao anatin’ny  Distrikan’ny MAHABO.

Nisy hatrany ny fampahafantarana an’ireo fikambanan’ny mpitrandraka madinika momba ny lalàna mifehy ny Harena an-kibon’ny Tany sy ireo rehetra tokony atao mba ho fikajiana ny tontolo iainana. Nanambara ireo fikambanan’ny mpitrandraka madinika fa hiezaka hiasa ao anatin’ny fanarahan-dalàna  mba ho tombotsoan’ny Kaominina misy azy ireo.

Fampitam-baovao sy sary : DRMRS Menabe