Nisokatra manomboka androany Alakamisy 09/11/2023 ny Guichet Unique d’Exportation eny amin’ny Mining Business Center Ivato

Marolafy ireo dingana notanterahana ho fanatsaràna ny tontolon’ny seha-pihariana harena an-kibon’ny tany eto Madagasikara. Anisan’izany ny fametrahana ny birao manokana hisahana ny fanondranana harena an-kibon’ny tany na ny Guichet Unique d’exportation d’or et d’autres métaux précieux, de pierres précieuses et de pierres fines, mba hanarenana ireo lesoka izay hita teo aloha ary manaraka ireo fepetra napetraka hiarovana ny tombontsoam-pirenena sy fitantanana mahomby ny harem-pirenena

Raha tsiahivina ny momba ny fanondranana ofisialy ny volamena dia nisy ny fepetra fampiatoana izany ny taona 2020, noho ny antony tsy fampodiana ny vola vahiny azo avy amin’izany. Taorian’ireo dingana fanavaozana samihafa, isan’izany ny Didim-panjakana manavao ny Régime de l’or, dia nankatoavina teo anivon’ny Filankevitry ny Minisitra ny fiverenan’izany fanondranana ofisialy ny volamena izany, ary eto amin’ity Guichet Unique d’Exportation ity no hanatanterahana ireo dingana rehetra ilaina amin’izany.

Taorian’ireo dingana maro tsy maintsy nolalovana ho fametrahana azy, dia nisokatra manomboka androany Alakamisy 09 Novambra 2023 teny amin’ny Mining Business Center na MBC Ivato izany Guichet Unique d’Exportation izany. Navondrona amin’ny toerana iray ireo antokon-draharaham-panjakana rehetra voakasika amin’ny fivarotana sy fanondranana volamena sy ireo metaly sarobidy hafa toy ny platine sy ny volafotsy, ary koa ireo vatosoa sy vato sarobidy isan-karazany. Hita ao araka izany ny avy amin’ny Ministera misahana ny harena an-kibon’ny tany toy ny Direction de la Gestion des Activités minières, Agence Nationale de la filière Or, Laboratoire des Mines ; ny avy amin’ny Ministera misahana ny fitantanam-bola toy ny Trésor Public, Impôt, Douanes ; ny avy amin’ny Ministeran’ny Filaminam-bahoaka sy ny avy amin’ny Zandarimariam-pirenena, ny Agence Nationale Anti-Fraude.

Tanjona nametrahana ity birao ity, araka ny nambaran’ny Minisitry ny harena an-kibon’ny tany sy ny loharanonkarena stratejika RAKOTOMALALA Herindrainy Olivier, ny fangaraharàn’ny asa fanondranana harena an-kibon’ny tany, amin’ny alalan’ny fifandraisan’ireo sampan-draharaham-panjakana tomponandraikitra akaiky kokoa, ary indrindra mba hanamorana ny asan’ireo mpandraharaha mpisehatra, hialàna amin’ny fivezivezen’izy ireo. Raha samy nanana ny biraony manerana ny toerana samy hafa teto an-drenivohitra mantsy ireo birao samihafa ireo hatramin’izay, dia efa toerana iray ankehitriny no ikarakarana ireo pitsopitsony ara-panjakana rehetra, ary ankoatra izany dia tombony manokana ny maha-akaikin’ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena ny toerana misy an’izany.