FAMPIDIRANA IREO MPITRANDRAKA MADINIKA AMIN’NY SEHATRA ARA-DALANA : Nahomby ny paikady fametrahana ny « Zone d’encadrement » tao Itremo

Paikady napetraky ny Fanjakana ny hanaovana ho matihanina ny asa fitrandrahana sy fampidirana ireo vondrona mpitrandraka madinika anaty sehatra ara-dalàna, amin’ny alalan’ny fametrahana ny « Zone d’encadrement pour les petits exploitants miniers », hanomezan’ny Fanjakana tantsoroka ireo vondrona mpitrandraka harena an-kibon’ny tany madinika, ka hahafahan’izy ireo miasa ao anaty fanarahan-dalàna

Nanatanteraka fitsidihana ifotony tany Itremo, Distrikan’Ambatofinandrahana, ny delegasionan’ny Ministeran’ny Harena an-kibon’ny tany sy Loharanonkarena Stratejika notarihan’Andriamatoa RAKOTOMALALA Herindrainy Olivier.

Nisy ny fijerena ifotony ny asa fitrandrahana tanterahan’ireo vondrona mpitrandraka madinika ao amin’ny kariera fitrandrahana vato cristal ao Anovitra  

 Araka ny lalàna mifehy ny fitrandrahana madinika dia voarara ny fampiasàna ny fitaovana vaventy toy ny “Bull” na “excavateur”. Hita fa voahaja izany fepetra izany ao amin’ny kariera Anovitra misy ny fitrandrahana cristal, vokarina amin’ny fitaovana ampiasaina tanana. 

Nisy ny tafa nataon’ireo tomponandraikitry ny Ministera tamin’ireo vondrona mpitrandraka mpahazo tombontsoa, ka tamin’izany indrindra no nanararaotan’izy ireo nisaorana ny Fitondram-panjakana tamin’ny fampanjariana ny sehatra fitrandrahana madinika amin’ny alalan’ny fananganana ny “zone d’encadrement”.  

Nivoitra ihany koa fa tena hita mivaingana ny fiantraikan’ity paikadin’ny Fanjakana ity : ankoatra ny famoronana asa manodidina ny fitrandrahana dia nanatsara tanteraka ny  fandriampahaleman’ny tanàna manodidina izany. Fantatra mantsy fa dia tena faritra mena amin’ny tsy fandriam-pahalemana tokoa ny Kaominina Itremo hatramin’izay ary nanjakan’ny asan-dahalo. Nihorohoro ireo mponina ka tsy lavorary ny asa fitadiavana andavanandro tamin’izany. Nohamafisin’ireo mpitrandraka anefa fa dia niverina amin’ny laoniny ny fandriam-pahalemana ao Itremo nanomboka tamin’ny nisokafan’ny “zone d’encadrement” tao an-toerana. 

“Maro ny asa voaforona teto amin’ny fitrandrahana ka lasa nisitraka izany avokoa ireo tanora tety amin’ny faritra, nihatsara ny fahefa-mividy ary niakatra ny fari-piainan’ireo mpahazo tombontsoa” hoy i Nirina Noely Razafindrakoto, Filohan’ny Groupement FIMPAVI na Fikambanan’ny Mpanao vato Itremo. 

Nanamafy izany ireo tanora nijoro vavolombelona fa nahavidy “moto” vaovao sy nahatsangana trano.  “Nihatsara noho izany ny fandriam-pahalemana eto Itremo” araka ny fanazavan’i Rakotoarisoa Fidèle, Filohan’ny Fikambanan’ny Mpitrandraka Vato Anovotra na Groupement FMVA, sady mponina ao Itremo. “Tsy nisy intsony ireo asan-dahalo ety amin’ny faritra” hoy hatrany izy. 

Fianakaviana an-jatony moa no miasa sy misitraka ny fitrandrahana vato cristal ao Anovitra, Kaominina Itremo ary mipaka amin’ireo kaominina manodidina toa an’Ambatofinandrahana, Manandriana, Talata Vohimena, Amborompotsy sy Mandrosonoro izany tombontsoa izany. 

Samy naneho ny faniriana mba hitohizan’izao paikady izao hatrany, izay mitsinjo manokana azy ireo, ny mponina. Nanambara ny Minisitra tomponandraikitra fa mitohy hatrany izany mba hahafahan’ny vahoaka ifotony misitraka an’izany ary hojerena ihany koa ireo faritra izay mbola hametrahana izany Zones d’encadrement izany amin’ny dingana manaraka.

 “Tanjona ny samy hahazoan’ny rehetra ny tombontsoa tandrify azy”, hoy ny fanazavana nentin’ny Minisitra, “ireo mpisitraka mivantana izay mahazo asa velon-tena, ireo vondrom-bahoakam-paritra itsinjaram-pahefana ivoahan’ny vokatra ary ny Fanjakana foibe amin’ireo tamberim-bidy isan-karazany”

MMRS/DCRI – Novembre 2023