Fitrandrahana volamena ao amin’ny reniranon’i Kamoro : mpitrandraka antsokosoko miisa folo voasambotra

Naharay fitarainana ny Ministera misahana ny harena an-kibon’ny tany fa misy fitrandrahana volamena mandeha indray ao amin’ny reniranon’i Kamoro, ao amin’ny Kaominina Marokoro, Distrikan’i Maevatanàna.

–      Tonga nijery ifotony tany an-toerana ny delegasiona avy amin’ ny Ministeran’ny harena an-kibon’ny tany sy ny loharanonkarena stratejika foibe, ny Fitaleavana iraisam-paritra DIRMRS Mahajanga sy ny BAM Maevatanana ny faran’ny herinandro teo.

–      Voamarina tamin’izany fa misy tokoa izany fitrandrahana antsokosoko izany, mampiasa fitaovana hary fomba tsy nahazoana alalana, ary teratany vahiny ampolony no tratra tao an-toerana.

–      Nanao ny anjara andraikitra tandrify azy ny avy eto anivon’ny Ministeran’ny harena an-kibon’ny tany sy ny loharanonkarena stratejika, tamin’ny alalan’ireo Polisy misahana ny harena an-kibon’ny tany na ny Police des Mines.

–      Tafiditra amin’izany ny fisamborana ireo hanaovana famotorana sy ny fampitana ny fitanana an-tsoratra mba hahafahan’ireo ambaratonga mifanandrify mandray ny andraikitra sy fepetra manoloana ny zava-misy.

Harem-pirenena tsy azo havaozina ny harena an-kibon’ny tany ka tsy azo ekena ny fandrobàna sy ny fandikan-dalàna misesisesy toy izao

Tsy vao voalohany no naharaisana fitarainana momba ny fitrandrahana volamena tsy ara-dalàna ary efa nidinana ifotony tany an-toerana sy nandraisana fepetra tao Tsiandrarafa, tao Antsira ary tao Madisovato izay samy ao anatin’ny kaominina ambanivotr’i Marokoro avokoa. Nandray ny andraikitra manandrify azy hatrany ny Ministera tomponandraikitra tamin’izany : fanatsaharana ny asa fitrandrahana, fanagiazana ireo fitaovam-piasana, fisamborana ireo mpitrandraka antsokosoko izay niditra am-ponja taorian’ny famotorana sy fanadihadiana

Lavitra dia lavitra sy tena saro-dalana ny toerana saingy tsy natao ho sakana tsy hanatontosa ny andraikitra izany. « Tsy hihemotra amin’ny fametrahana Fanjakana tsara tantana sy amin’ny fampanarahan-dalàna ny sehatra fitrandrahana harena an-kibon’ny tany ny tompon’andraikitra », araka ny fanazavan’Andriamatoa RAZANANIRINA Henri Délice, Sekretera Jeneraly eto anivon’ny Ministera.

Andrasana ny tohin’ny fanadihadiana, ary tanjona ny hahitana ireo tena atidoha ambadika, sy ny hamongorana ny tambajotra fanondranana harem-pirenena antsokosoko.

MMRS/DCRI – Décembre 2023