DIRMRS FIANARANTSOA : mitohy ny asa ho fametrahana ny Zone d’Encadrement hampidirana ny mpitrandraka harena an-kibon’ny tany artizanaly amin’ny sehatra ara-dalàna

Ho tohin’ny ny fametrahana ny Zone d’Encadrement (ZE) izay atao ho fampidirana ny Vondrona mpitrandraka madinika ao anatin’ny ara-dalàna dia mitohy hatrany ny fidinana ifotony izay ataon’ny avy eo anivon’ny Fitaleavam-paritry ny harena an-kibon’ny tany sy ny loharanonkarena stratejika DIRMRS Fianarantsoa hatramin’ny volana Jolay ka hatramin’ izao, araka ny fangatahana izay tonga eo am-pelatanana, ao anatin’ny Faritra Mahatsiatra Ambony sy Ihorombe.

Nisy ny fidinana eny anivon’ireo kariera na toeram-pitrandrahana izay misy mangataka, sy ny fihaonana amin’ireo tomponandraiki-panjakana eny ifotony toa ireo Ben’ny Tanàna izay voakasiky ny asa fitrandrahana.

Natao izany teo anivon’ny Distrika Ikalamavony, Ambalavao, Ambohimahasoa ho an’ny Faritra Mahatsiatra Ambony ary teo anivon’ny Distrika Ihosy sy Iakora kosa ho an’ny Faritra Ihorombe

Izao no atao moa dia mba hisitrahan’ny mpitrandraka madinika sy ny olona eny ifotony ny tombotsoa azo avy amin’ny harena izay ananany ao anatin’ny ara-dalàna.

Tafiditra indrindra amin’ny fanohizana ny fametrahana ny «Zone d’encadrement» hanomezana tantsoroka ho an’ireo vondrona mpitrandraka harena an-kibon’ny tany madinika manerana ny Nosy, mba hahafahan’izy ireo miditra ao anatin’ny sehatra ara-dalana. Marihana fa ireo teknisianina eo anivon’ny Ministera amin’ny alalan’ireo Fitaleavana isam-paritra na iraisam-paritry ny harena an-kibon’ny tany no hanoro sy hanome toromarika an’ireo mpitrandraka amin’ny lafiny ara-panjakana, ara tontolo iainana ary ny momba ny teknikam-pitrandrahana.

Tany amin’ireto toerana nanaovan’ny DIRMRS Fianarantsoa fidinana ifotony ireto dia hita fa maro ireo mpitrandraka no liana amin’ny fidirana ao anatin’ny ara-dalàna ary mankasitraka ny Minisiteran’ny harena an-kibon’ny tany sy ny loharanokarena stratejika sy ny Fitondram-panjakana amin’ny fanampiana sy fanamorana ny fangatahana ZE ho an’ny olona eny ifotony.

Fampitam-baovao sy sary : Tale iraisam-paritra DIRMRS Fianarantsoa

MMRS/DCRI – Décembre 2023