FANANGAN-TSAINA VOALOHANY 2024 TETO ANIVON’NY MINISTERAN’NY HARENA AN-KIBON’NY TANY

Notontosaina androany Alatsinainy 15 Janoary 2024 tao Ampandrianomby ny lanonana fananganan-tsaina voalohany ho an’ny fianakaviamben’ny mpiasan’ny Ministeran’ny harena an-kibon’ny tany, amin’ity taona 2024 ity.

Teboka nisongadina tao anatin’izany ny fanolorana ny fiarahabana ho an’Andriamatoa Minisitra RAKOTOMALALA Herindrainy Olivier sy ny ankohonany, noho ny fahatrarana ny taona vaovao. Nitondra ny teny firariantsoa avy amin’ny mpiasa ny Sekretera Jeneraly RAZANANIRINA Henri Délice, fa indrindra ihany koa ny fiarahabana sy firariantsoa ho an’Andriamatoa Minisitra hahaleo hahalasa amin’ny andraikitra iantsorohana noho ny mbola nahavoatendry azy hitantana indray ity departemanta ministerialy ity.

Fisaorana manokana no natolotr’Andriamatoa Minisitra an’Andriamatoa isany Filohan’ny Repoblika sy Praiminisitra Lehiben’ny Governemanta izay nametraka fahatokisana indray aminy mba hiandraikitra ity departemanta ministerialy ity, hanohizana ireo asa efa natomboka sy andalam-panatanterahana.

Nankasitraka ny mpiasa eo anivon’ny Ministeran’ny harena an-kibon’ny tany koa ny tenany tamin’ny fiaraha-miasa sy ny ezaka rehetra vita sy mbola hiaraha-manao mba hanatsarana ny sehatry ny harena an-kibon’ny tany.

Ankoatra izay dia nanao jery todika an’ireo asa sy dingana vita izy ary nanoritsoritra ireo vina sy fanamby miandry ary indrindra ny toetra sy fomba fiasa mendrika hanatanterahana izany. Nanamafy Andriamatoa Minisitra fa fifanomezan-tanana sy fiaraha-mientana avy amin’ny mpiasa tsirairay no hahatrarana ireo tanjona rehetra, ka mba hitondra ho amin’ny tena fampandrosoana an’i Madagasikara ny sehatry ny harena an-kibon’ny tany.

MMRS/DCRI – Janvier 2024