FARITRA ANDROY : mitohy ny fampanarahan-dalàna ireo mpitrandraka harena an-kibon’ny tany sy volamena madinika any amin’ireo kariera maro amin’ny Distrika Bekily
Tontosa ny faha 03 hatramin’ny faha 09 Febroary 2024 ny fidinana ifotony ho fametrahana »Zone d’encadrement » nataon’ny eo anivon’ny Fitaleavana iraisam-paritry ny Harena an-kibon’ny tany DIRMIM Toliara tany amin’ireo kariera maro anatin’ny Kaominina ambonivohitra tao amin’ny Distrika Bekily, Faritra Androy sy fitsirihana ireo toerana misy mangataka hanaovana « Zone d’encadrement » ao amin’ny Distrika Ampanihy-Ouest, Faritra Atsimo-Andrefana izay nolalovana.
Nisy ny fanaovana tombana amin’ny ankapobeny ny toeram-pitrandrahana, ny momba ny vato, ny asa vato sy asa volamena ary indrindra ny fitafàna tamin’ireo Mpitrandraka madinika teny amin’ny kariera. Nandritra ny fanentanana no nampahafantarana azy ireo ny paikady sy ny politikam-panjakana amin’ny alalan’ny fametrahana »Zone d’encadrement » amin’ny faritra misy mpitrandraka madinika. Tanjona amin’izany ny fampanarahan-dalàna ny asan’izy ireo, indrindra ho fiarovana ny mety ho gaboraraka rehetra.
Nialoha ny fihaonana tamin’ireo mpitrandraka ifotony dia nisy ny fihaonana tamin’ny tomponandraiki-panjakana toa ny Lehiben’ny Distrika sy ny Ben’ny tanàna amin’ny toerana misy ny fitrandrahana, ka nisian’ny dinika sy fampahafantarana azy ireo ny momba ny Lalàna mifehy ny harena an-kibon’ny tany amin’ny ankapobeny sy ny andraikitra sahanin’ny Ministeran’ny Harena an-kibon’ny tany.ao anatin’izany.
Fampitam-baovao sy sary : Tale iraisam-paritra DIRMIM Toliara