FAMBOLEN-KAZO NOTONTOSAIN’NY MINISTERAN’NY HARENA AN-KIBON’NY TANY TENY MASINDRAY -16 FEBROARY 2024

« Fambolen-kazo : manarina tontolo iainana, mamelon’aina », lohahevitra ho an’ny taom-pambolen-kazo 2023-2024

Ho tohin’ny Fambolen-kazo izay efa nosantarina niaraka tamin’Andriamatoa Filoham-pirenena teny Imerintsiatosika ny volana lasa iny, teo ambany fitarihan’ny Minisitra RAKOTOMALALA Herindrainy Olivier, nanefa ny adidiny ihany koa ny fianakaviam-ben’ny Ministeran’ny harena an-kibon’ny tany, ny ratsa mangaikany sy ireo mpisehatra amin’ny harena an-kibon’ny tany, mpiara miombon’antoka, mpianatra sampana haibolantany eny amin’ny Oniversiten’i Vontovorona, mpandrahara, mpitrandraka vaventy sy mpitrandraka teratany, fiarahamonim-pirenena, federasiona sy fikambanana samihafa, nifarimbona namboly hazo androany Zoma 16 Febroary 2024.

Nifamotoana teny amin’ny faritra fambolen-kazo teny Tsiakarana, Fokontany Antanimenabe, Kaominina ambanivohitr’i Masindray ny fianakaviamben’ny mpiasa sy ireo mpisehatra amin’ny harena an-kibon’ny tany. Ny Ministeran’ny tontolo iainana sy ny fandrosoana lovainjafy no tompon’ny toerana ary nanolotra izany ny OMNIS izay ratsa mangaika eo anivon’ny Ministeran’ny harena an-kibon’ny tany ho ampiasaina amin’ny fambolen-kazo ao anatin’ny telo taona.

Zanakazo 5000 isa, ahitana acacia, kininina, filao no novolena tamin’ny velarana 2,5ha teny an-toerana.

Fanamby goavana ary adidy masina ho an’ny Tanindrazana sy ireo taranaka hifandimby ny fandrakofana ala sy famerenana ho maitso indray an’i Madagasikara. Namporisika ny tsirairay ny Minisitry ny harena an-kibon’ny tany tao anatin’ny anjara fandraisam-pitenenany mba hiara-hisalahy hahatrarana io tanjona io. Teboka notsindriany ihany koa ny mahakasika ny fikojakojana sy fanaraha-maso ireo zanakazo vao novolena. Nanafatra ireo mponina eny an-toerana ihany koa ity mpikambana amin’ny governemanta ity ny amin’ny tsy hanaovana ambanin-javatra izay fanaraha-maso ny fitsirin’ireo zanakazo.


JOURNEE DE REBOISEMENT DU MINISTERE DES MINES ET DES ACTEURS DU SECTEUR MINIER

« Fambolen-kazo : manarina tontolo iainana, mamelon’aina », tel est le thème national pour la Campagne de reboisement 2023-2024.

A son tour, dirigé par le Ministre RAKOTOMALALA Herindrainy Olivier, le personnel du Ministère des Mines au niveau central, ceux des organismes rattachés ainsi que des parties prenantes (universitaires du Polytechnique de Vontovorona, filière géologie, sociétés civiles, opérateurs miniers, grandes mines, Chambre des mines, fédérations et associations ont montré leur solidarité pour une journée de reboisement dudit département ministériel, ce vendredi 16 février 2024.

Ainsi, ils se sont donnés rendez-vous sur le périmètre de reboisement de Tsiakarana, dans le Fokontany Antanimenabe, Commune Rurale Masindray, Région Analamanga. Il s’agit d’une zone de reboisement du Ministère de l’Environnement et du Développement Durable, mise à la disposition de l’OMNIS, organisme rattaché du Ministère des Mines, pour une durée de trois ans pour reboiser.

Environ, 5.000 jeunes plants d’acacia, filao, frênes, eucalyptus citriodora et d’eucalyptus robusta ont été mis à terre sur une superficie de 2,5 hectares sur ledit lieu.

Œuvrer pour la reforestation de Madagascar, un défi immense et un devoir citoyen envers la Patrie et les générations futures. Lors de son intervention, le Ministre des Mines a encouragé la participation de tout un chacun pour atteindre cet objectif et a mis un accent sur la nécessité d’un suivi et entretien de ces jeunes plants. Le membre du gouvernement a ensuite passé un message aux locaux d’accorder une importance au suivi du développement des jeunes pousses.

MIM/DCRP – Février 2024