FAMPIDIRANA IREO MPITRANDRAKA ARTIZANALY AO AMIN’NY FARITRA VAKINANKARATRA AMIN’NY SEHATRA MANARA-DALANA : Fidinana ifotony tao Anjoma Ramartina, Distrika Mandoto

Paikady napetraky ny Fanjakana mba hampidirana ireo mpitrandraka madinika amin’ny sehatra manara-dalàna ny fametrahana ny « Zone d’encadrement » izay hahafahan’ireo vondrona mpitrandraka harena an-kibon’ny tany madinika sy mpisivana volamena miasa ara-dalàna. Ireo teknisianina eo anivon’ny Ministera tomponandraikitra, amin’ny alalan’ireo Fitaleavana isam-paritra na iraisam-paritry ny harena an-kibon’ny tany no hanoro sy hanome toromarika ho azy ireo amin’ny lafiny ara-panjakana, ara tontolo iainana ary ny momba ny teknikam-pitrandrahana

Nisy ny fidinana ifotony ho fametrahana ny « Zone d’encadrement » tao amin’ny Kaominina Ambanivohitra Anjoma Ramartina, Distrikan’ny Mandoto, Faritra Vakinankaratra ny faha-06 sy 07 Febroary lasa teo.

Fidinana ifotony izay niarahana tamin’ny Lefitry ny Ben’ny tanàna, ireo solontenan’ny mpitrandraka ary ny ekipan’ny Fitaleavam-paritry ny Harena an-kibon’ny Tany DRMIM Vakinankaratra. Izany moa dia tafiditra amin’ny fanohizana ny fametrahana ny « Zone d’encadrement » hanomezana tantsoroka ho an’ireo vondrona mpitrandraka harena an-kibon’ny tany madinika manerana ny Nosy, mba hahafahan’izy ireo miditra ao anatin’ny sehatra manara-dalàna.

Fokontany roa tao amin’ny Kaominina Ambanivohitra Anjoma Ramartina dia ny Fokontany Anjoma Ramartina sy ny Fokontany Tsaramiakatra no nanantanterahana ny fanaovana tombana ny toeram-pitrandrahana sy ny fomba fiasa ary ny fijerena ny vato ho trandrahan’ireo mpitrandraka madinika eny an-toerana.

Nandritra izany fidinana ifotony izany no nanazavana an’ireo mpitrandraka madinika ireo ny antony sy ireo tombontsoa amin’ny fananganana vondrona na fikambanana. Nampahafantarina azy ireo koa ny tanjona amin’ny fametrahana ny « zone d’encadrement » izay tetikasan’ny Ministeran’ny Harena an-kibon’ny Tany mba hampidirana azy ireo ao anatin’ny sehatry ny ara-dalàna ary ny fanaovana tantsoroka azy ireo amin’ny fanatanterahana ireo dingana isan-karazany ho fametrahana ny « Zone d’encadrement ».

Nampahafantarina azy ireo ihany koa ny maha zava-dehibe ny fikojakojana ny tontolo iainana ary misy ny bokin’andraikitra izay mifehy an’izany fikajiana ny tontolo iainana sy ny tontolo manodidina izany.

Fampitam-baovao sy sary : Talem-paritra DRMIM Vakinankaratra