AKOM-BAOVAO DIRMIM TOAMASINA

« Vehivavy miarina sy miray hina, Firenena mandroso »

Ny tanànan’i Toamasina no nampiatrano ny fankalazana nasionaly ny 8 Martsa Andro iraisam-pirenena ho an’ny zon’ny vehivavy tamin’ity taona 2024 ity.

Hetsika izay notarihan-dRamatoa RAJOELINA Mialy, Vadin’ny Filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara, ary teo ambany fiahian-dRamatoa FOMENDRAZA Haingo Elisette, Ministry ny Mponina sy ny Firaisankina, notronin’ireo olo-manankaja maro, indrindra Andriamatoa Filohan’ny Repoblika sy ireo mpikambana ao amin’ny Governemanta vehivavy sy lehilahy, ny Governoran’ny Faritra Atsinanana, ny Préfet, ny Ben’ny Tanana Ambonivohitry ny Toamasina sy ny maro samy hafa sivily sy miaramila.

Nandray anjara tamin’ireo hetsika maro natao hanamarihana an’izany ny ekipan’ny Fitaleavam-paritry ny Harena an-kibon’ny tany DIRMIM Toamasina, na teo amin’ny fanomanana hatrany amin’ny asam-baomiera samihafa izany; na koa tamin’ny fanotronana sy fandraisana anjara nandritra ny fankalazana.

Nanomboka ny andron’ny 7 Martsa hatramin’ny 9 Martsa dia notontosaina mifanesy ny fambolena  » micro-forêt » teo amin’ny espace vert, route CHU Analankininina, fitsidihana ny toerana anaovana ny fizaham-pahasalamana na ny » caravane medical « , Fitsidihana ireo tranoheva momba ny fahaiza- manaon’ireo vehivavy solontenan’ ny Faritra 24 teo amin’ny esplanade alohan’ny Hôtel de ville. Ny andron’ny 8 Martsa moa dia nisy ny filaharana miendrika matso nataon’ireo mpandray anjara andriambavilanitra nandritra ny lanonana ofisialy teo amin’ny esplanade MIAMI.

Nisy koa ireo hetsika izay notarihan’Andriamatoa Filohan’ny Repoblika, niaraka tamin’ireo mpikambana ao amin’ny Governemanta sy ireo manam-pahefana eto an-toerana, toy ny fitokanana ny biraon’ny  » Direction Régionale de la Sécurité Publique » tao Tanamakoa, Fizarana karatany sy « titre » faobe, ho an’ny vehivavy izay natao tao amin’ny EPP Tanandava, CR Toamasina Suburbaine.

Fampitam-baovao sy sary : Tale iraisam-paritra DIRMIM Toamasina