FIVORIANA NIARAHAN’NY MINISITRY NY HARENA AN-KIBON’NY TANY TAMIN’IREO MPANDRAHARAHA TOMPONA « COMPTOIR DE L’OR » : fifaneken’ny roa tonta no hiaraha-manatratra ny tanjona voasoritra izay azo tratrarina tsara

Ampandrianomby, 08 Martsa- Nisy ny dinikasa niarahan’ny Fanjakana, amin’ny alalan’ny Ministeran’ny harena an-kibon’ny tany notarihan’ny Minisitra RAKOTOMALALA Herindrainy Olivier, sy ireo mpandraharaha nahazo fankatoavana amin’ny fananganana « Comptoir de l’or », teny amin’ny Ministeran’ny harena an-kibon’ny tany teny Ampandrianomby.

Isan’ny teboka voaresaka ny fampahalalana ireo mpandraharaha ireo momba ny tapaka teo anivon’ny Filankevitry ny Minisitra ny 06 martsa 2024 lasa teo, ka nizarana ireo toromarika avy amin’ny Filoham-pirenena sy torolalana arahana ao anatin’ny fikatsaham-bahaolana iraisana. Torak’izany koa ny fifampizaram-baovao amin’ny fomba fiasa efa ataon’ireo orinasa efa nahazo fankatoavana sy ho fanatsaràna izany.

Olana sedrain’ireo mpandraharaha ara-dalàna ny vidy ividianana ny volamena eto an-toerana izay midangana miohatra amin’ny vidin’ny volamena eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena izay efa manana ny kalitao or monétaire, raha toa ka volamena mbola tsy voadio no vidiana eny ifotony sy haondran’izy ireo. Izany dia vokatry ny fisian’ireo mpisehatra tsy ara-dalàna izay tsy mandoa haba sy hetra isan-karazany, tsy toy ireo mpandraharaha nahazo fankatoavana momba ny « comptoir de l’or ».

Voafaritra mazava ny anjara asan’ny mpandraharaha sy ny Fanjakana : andraikitr’ireo mpandraharaha nahazo fankatoavana ny manaja ireo voafaritra anatin’ny bokin’andraikitra sy izay nifanekeny tamin’ny Fitondram-panjakana. Hentitra ny toromarika nomen’Andriamatoa Filoham-pirenena fa raha toa tsy mahavita manondrana 15 isan-jato fara-fahakeliny amin’izay lanja nifanarahana, ato anatin’ny roa volana, dia hotsoahana amin’izy ireo ny fankatoavana nomena azy. Izany indrindra no mahatonga ny Fitondram-panjakana amin’ny alalan’ny Ministeran’ny harena an-kibon’ny tany hanampy azy ireo amin’ny fanamorana ireo pitsopitsony ara-panjakana takian’ny fanondranana ofisialy sy amin’ny fampanarahan-dalàna ireo mpisehatra, miainga amin’ny mpisivam-bolamena eny ifotony, ireo mpanangom-bokatra. Ireto farany izay tarihana mba hahatonga ny vokatra eo anivon’ny mpandraharaha tompona  » comptoir de l’or ».

Araka izany, vahaolana hirosoana avy hatrany ny fidinana ifotony sy fiasàna mivantana eny anivon’ireo faritra mpamokatra volamena toa an’i Betsiaka, Maevatanàna, Mananjary ary Dabolava handaminana sy handrindrana ity lalam-pihariana volamena ity. Seha-pihariana izay manampy betsaka amin’ny fanamarinan-toerana ny Ariary, hahazoana antoka ny fifandajana ara-barotra raha mizotra tsara amin’ny ara-dalàna ny fanondranana ofisialy ny volamena