FITALEAVANA IRAISAM-PARITRY NY HARENA AN-KIBON’NY TANY ANOSY-ANDROY : Nandray ny asany ny Tale vaovao
Nahafinaritra ny fandraisana ny Tale iraisam-paritry ny Harena Ankibon’ny tany Anôsy – Androy Andriamatoa MAHASOA Mosa Thierry, ny Zoma faha-22 Martsa 2024.
Tontosa soa aman-tsara ny famindram-pahefana izay natrehan’ireo mpandraharaha momba harena ankibon’ny tany ao Taolagnaro, taorian’ny fanendrena azy hisahana izany andraikitra izany. Tonga nanome voninahitra izany tany an-toerana ihany koa ny Sekretera Jeneralin’ny Ministera an’ny Harena ankibon’ny tany.
Fotoana izay nahafahan’Andriamatoa Sekretera Jeneraly ihany koa nitafa tamin’ireo mpiara-miasa eo anivon’ny Fitaleavam-paritra momba ny :
- Fampahafantarana ny rafitra vaovao misy eto amin’ny Ministeran’ny Harena ankibon’ny tany
- Fanatsarana ny rafitra anatiny izay antony nanaovana fifanakalozan-toerana eo anivon’ireo Talem-paritra
- Fanentanana ireo mpiara-miasa amin’ny fanajana ireo rafitra isan’ambaratonga
- Fanentanana ireo mpiara-miasa ny amin’ny fampitomboana ny fahalalany
- Fanentanana amin’ny fitandroana ny fiaraha-monina mirindra eo amin’ny samy mpiara-miasa
- Fanentanana ny amin’ny fanaovana asa madio sy mahitsy
Fampitam-baovao sy sary : Fitaleavana iraisam-paritra DIRMIM Anosy-Androy