VISITE DE COURTOISIE DE LA NOUVELLE AMBASSADRICE DE L’AUSTRALIE AUPRES DU MINISTERE DES MINES

La nouvelle Ambassadrice de l’Australie à Madagascar, Son Excellence Madame Kate CHAMLEY a effectué une visite de courtoisie auprès du Ministre des Mines RAKOTOMALALA Herindrainy Olivier, dans son bureau à Ampandrianomby, ce jeudi 21 Mars 2024.

Lors de cette entrevue, la diplomate a évoqué que le secteur minier joue un rôle essentiel dans la création d’emploi et que cette rencontre avec le numéro un du Ministère a été un privilège permettant de développer les échanges concernant le secteur extractif. D’une autre part, cela représente également une opportunité de manifester l’engagement des deux parties, en termes d’investissement, de raffermissement de coopération bilatérale entre l’Australie et Madagascar ainsi qu’un partenariat bénéfique pour les deux pays.

Quant au Ministre des Mines, il a mentionné que l’Australie est un pays modèle, qui figure parmi les pays les plus avancés dans le domaine d’exploitation minière, et à Madagascar, des entreprises australiennes y opèrent. Échanges d’expériences, formation sont parmi les sujets abordés entre le Ministre des Mines et la nouvelle ambassadrice.


FITSIDIHANA ARA-POMBA FIFANAJANA NATAON’NY MASOIVOHON’I AUSTRALIE TAMIN’NY MINISITRY NY HARENA AN-KIBON’NY TANY

Tonga nanao fitsidihana ara-pomba fifanajana ny Minisitry ny harena an-kibon’ny tany RAKOTOMALALA Herindrainy Olivier, teny amin’ny toeram-piasany teny Ampandrianomby Ramatoa Kate Chamley, ny Alakamisy 21 Martsa 2024.

Sehatra iray mitana anjara toerana amin’ny famoronana asa sy manampy amin’ny ho avy ny sehatry ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany, hoy ny Masoivohon’i Australie. Tombony lehibe ny nihaonany tamin’ny Minisitry ny harena an-kibon’ny tany androany, nahafahana nifanakalo momba io sehatra io, fa indrindra ihany koa nanambarany ny fahavononana amin’ny fampiasam-bola eto amintsika ary koa ny ijerena ny hanatsarana mba hampahomby ny fiaraha-miasa eo amin’ny firenena roa tonta.

Firenena efa lasa lavitra amin’ny resaka fitrandrahana harena an-kibon’ny tany ary tsara halain-tahaka i Australie Ary misy orinasa Aostralianina misehatra amin’ny sehatry ny harena an-kibon’ny tany eto Madagasikara raha ny nambaran’ny Minisitry ny harena an-kibon’ny tany. Teboka nifampiresahan’ny Minisitry ny harena an-kibon’ny tany sy ity diplaomaty vahiny ity ny fizarana traikefa sy fiofanana amin’ny sehatry ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany.

MIM/DCRP – Mars 2024