FARITRA ATSINANANA : hisitraka « Zone d’encadrement » hampidirana azy ireo amin’ny sehatra ara-dalàna ireo mpitrandraka madinika harena an-kibon’ny tany sy mpisivam-bolamena ao Ambinanindrano Mahanoro

Mitohy ny asa fametrahana ny « Zone d’Encadrement » hampidirana ny mpitrandraka madinika ny harena ankibon’ny tany eo amin ny sehatry ny ara-dalana ato amin ny Faritra Atsinanana.

Araky ny fangatahana voaray nataon’ ny Fikambanana NOSIARIVO dia nanatanteraka fidinana ifotony sy nanamarina izany tany amin’ ny Kaominina Ambanivohitra Ambinanindrano, Distrikan’ny Mahanoro, Faritra Atsinanana, ny ekipan’ny Fitaleavam-paritry ny Harena ankibon’ny tany sy ny BCMM Toamasina.

Nisy ny fihaonana tamin’ireo Tomponandraiki-panjakana toy ny Lehiben’ny Distrika, ny Ben’ny Tanana ary ny Tangalamena tao an-tanàna nanazavana ny anton’izany fidinana izany.

Nomena fanazavana ireo Mpitrandraka madinika ary nampahafantarana azy ireo ny tombontsoa azo avy amin’ny fidirana ao anatin ny ara-dalàna izany. Nentanina koa izy ireo hanaja ny tontolo iainana.

Fampitam-baovao sy sary : Talem-paritra DRMIM Atsinanana