FARITRA AMORON’I MANIA : fidinana ifotony tany amin’ny toeram-pitrandrahana ho fametrahana « zone d’encadrement » ho an’ireo mpitrandraka madinika tany Ambositra, Manandriana, Ambatofinandrahana

Fidinana ifotony teny amin’ny toeram-pitrandrahana maromaro no tontosan’ny Fitaleavam-paritry ny Harena an-kibon’ny tany DR Amoron’i Mania ny Alatsinainy 25 Martsa ka hatramin’ny Alakamisy 28 Martsa 2024 lasa teo.

Notsirihana nandritra izany ny toeram-pitrandrahana : malachite ao Besesitra CR Ihadilanana District Ambositra ;

toeram-pitrandrahana Bérylium sy Mica tao Ambalatety CR Ambatomarina District Manandriana ary koa toeram-pitrandrahana Tourmaline sy Lépidolite tao Ihoaka CR Fenoarivo District Ambatofinandrahana.

Nisy ny fampahafantarana ireo mpitrandraka madinika sy ireo ben’ny tanana tany ifotony ny mikasika ny tsara ho fantatra amin’ny Fehezan-dalàna mikasika ny harena an-kibon’ny tany, indrindra ireo toromarika tsy maintsy tanterahana mialoha ny famaritana ny « Zone d’encadrement ».

Namporisihina ihany koa ireo mpitrandraka mba hitandro araka ny tokony ho izy ny tontolo iainana indrindra ny toeram-pivoahana sy ny toerana tokony hisy ny loharano fisotro ary koa ny fahadiovana eo am-panatanterahana ny asa fitrandrahana. Tsapa nandritra izao fidinana ifotony izao fa liana amin’ny fampianarana ny vahoaka mpitrandraka eny ifotony ary maniry ihany koa izy ireo hiditra amin’ny sehatra ara-dalana.

Fampitam-baovao sy sary : Talem-paritra DRMIM Amoron’i Mania