Famaritana ny faritra voatokana mba hiantsorohana ireo mpitrandraka madinika na « Zone d’encadrement » ao amin’ny Faritra Menabe
Fidinana ifotony maro no notontosaina tao amin’ny :
- Toeram-pitrandrahana “Cristal” tao amin’ny Fokontany Betamotamo, Kaominina Dabolava, Distrika Miandrivazo,
- Toeram-pitrandrahana « Mica » tao amin’ny Fokontany Ankiranomena, Kaominina Dabolava, Distrika Miandrivazo
- Toeram-pitrandrahana « Volamena » tao amin’ny Fokontany Andrafiabe, Kaominina Manandaza, Distrika Miandrivazo,
- Toeram-pitrandrahana “Malachite” tao amin’ny Fokontany Tsinjorano, Kaominina Ambanivohitry Tsimazava, Distrika Mahabo
Ireo Teknisianina avy ao amin’ny Fitaleavam-paritry ny Harena an-kibon’ny tany Menabe no nanatanteraka izany nandritra ny volana Mars 2024 lasa teo.
Nisy nandritra izany ny fihaonana tamin’ireo ireo mpitrandraka harena an-kibon’ny tany madinika sy mpisivam-bolamena ary ireo tomponandraikitra tao an-toerana. Nampahafantarina azy ireo nandritra izany fihaonana izany:
- Ny Lalàna mifehy ny harena an-kibon’ny tany vaovao
- Ireo toromarika mahakasika ny famaritana ny toerana hitrandrahana ho « Zone d’encadrement »,
- Ny fananganana ny vondron’ny mpitrandraka madinika,
- Ny tokony hanajana ny tontolo iainana.
- Ary ny tsy fampiasana ny zaza tsy ampy taona amin’ny fitrandrahana Harena an-kibon’ny Tany.
Naneho hatrany ny fankasitrahany ity paikadin’ny Fanjakana ity ireo mpitrandraka madinika ny amin’ny fanomezana lanja azy ireo. Vonona hisehatra amin’ny ara-dalàna hatrany ireo mpitrandraka madinika ireo.
Fampitam-baovao sy sary : DRMIM Menabe