FAMINDRAM-PITANTANANA NY DIRECTION DE LA POLICE DES MINES

Araka ny fanapahan-kevitra tamin’ny Filankevitry ny Minisitra ny Alarobia 27 Martsa 2024, dia ny Kaomisera RAKOTOARIMANANA Mamy Tiana, no voatendry ho Tale vaovao hitantana ny Direction de la Police des Mines (DPM) eto anivon’ny Ministeran’ny harena an-kibon’ny tany.

Tontosa soa aman-tsara androany Alakamisy faha-04 Aprily 2024, tao amin’ny Amphithéâtre Lacroix Ampandrianomby, ny famindram-pitantanana niaraka tamin’Andriamatoa RATONSON Haridera, izay DPM teo aloha.

Nanatrika izany fotoana izany Andriamatoa Minisitry ny Harena an-kibon’ny tany RAKOTOMALALA Herindrainy Olivier, notronin’ireo tomponandraikitra isan-tsokajiny sy solontenan’ny mpiara-miasa eto anivon’ny Ministera.

PASSATION DE SERVICE POUR LA DIRECTION DE LA POLICE DES MINES

Le directeur sortant RATONSON Haridera a cédé la place à son successeur, le Commissaire de Police RAKOTOARIMANANA Mamy Tiana, nouveau Directeur de la Police des Mines, nommé en Conseil des Ministres du 27 Mars 2024 dernier.

La cérémonie de passation de service s’est déroulée, ce jeudi 04 Avril 2024, à l’Amphithéâtre Lacroix Ampandrianomby, en présence du Ministre des Mines RAKOTOMALALA Herindrainy Olivier, les staff et le personnel dudit département ministériel.

MIM/DCRP – Avril 2024