FEHEZAN-DALANA MIFEHY NY HARENA AN-KIBON’NY TANY : MANDINIKA IREO TOLO-KEVITRA NAROSON’IREO MPIANTSEHATRA MIKASIKA NY DIDY FAMPIHARANA NY MINISTERA

Fakan-kevitra marolafy niarahana tamin’ireo mpisehatra manerana ny Nosy no nanombohan’ny Ministeran’ny harena an-kibon’ny tany ny fanavaozana ny lalàna mifehy ity sehatra ity, nahitam-pahombiazana izany ary fakan-kevitra ihany koa no fomba fiasa nirosoana momba ny Didy fampiharana izay lalàna mifehy ny harena an-kibon’ny tany izay.

Taorian’ny fakan-kevitra nokarakarain’ny Ministeran’ny harena an-kibon’ny tany niarahana tamin’ireo mpisehatra isan-tokony, natao teny amin’ny Mining Business Center Ivato ny Zoma 12 Aprily 2024 lasa teo ka nifanakalozan-kevitra manodidina ireo andinin-dalàna ao anaty volavola Didy fampiharana mahakasika ny lalàna mifehy ny harena an-kibon’ny tany.

Manohy ny asa mikasika izany ireo tomponandraikitra sy mpitantana isan-tsokajiny eto anivon’ny Ministera sy ireo ratsamangaikany, tarihan’Andriamatoa Minisitra RAKOTOMALALA Herindrainy Olivier. Asa izay mifandraika indrindra amin’ny fandinihana ireo tolo-kevitra naroson’ireo mpiantsehatra nandritra ny fakan-kevitra, ho fanampiana sy fanatsarana izay volavolana Didy fampiharana ny lalàna mifehy ny harena an-kibon’ny tany izay.

Dingana manaraka ny hampidirana ity Didy fampiharana ity ho dinihana eo anivon’ny Filankevitry ny Governemanta.