FAMINDRAM-PITANTANANA FITALEAVAM-PARITRY NY HARENA AN-KIBON’NY TANY ATSINANANA
Araka ny fanapahan-kevitra nivoaka tao amin’ny Filankevitry ny Ministra ny Alakamisy 11 Aprily 2024, dia Andriamatoa RANDRIAMANIRAKA Clément Richard no voatendry ho Talem-paritry ny Harena an-kibon’ny Tany Atsinanana.
Tontosa ny Alatsinainy faha-15 Aprily 2024 tao amin’ny efitrano lehibe ny Faritra Atsinanana ny famindram-pitantanana teo aminy sy Ramatoa GILBERT Sylvie.
Nanatrika izany fotoana izany ny Préfet Toamasina, ny Governora ny Faritra Atsinanana, ny Sekretera Jeneraly ny Harena an-kibon’ny Tany, notronin’ireo tomponandraikitra isan-tsokajiny sy ny mpiara- miasa eto anivon’ny Fitaleavam-paritry ny Harena ankibon’ny Tany Atsinanana.
Fampitam-baovao : Talem-paritry ny harena an-kibon’ny tany Atsinanana