FIFANAOVAN-TSONIA FIFANARAHAM-PIARAHA-MIASA TEO AMIN’NY MINISTERAN’NY HARENA AN-KIBON’NY TANY SY NY ANAF

Notontosaina teny amin’ny Mining Business Center Ivato androany Zoma 10 Mey 2024 ny fifanaovan-tsoniam-piaraha-miasa teo amin’ny Ministeran’ny harena an-kibon’ny tany sy ny Agence Nationale Anti- Fraude na ny ANAF, rafitra eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblikan’i Madagasikara.

Rafitra misahana ny fanaraha-maso ny hosoka sy fanadihadiana mahakasika ny resaka hosoka sy fanenjehana ireo manao izany ny ANAF, araka ny fanazavana nomen’ny Tale Jeneralin’ny ANAF, ny Jeneraly VOAHANGY ANDRIAMANALINARIVO Irinjatovo Hajatiana, izay rafitra am-perinasa efa hatramin’ny volana Febroary 2021. Miara-miasa amin’ny sampan-draharaham-panjakana isan-tokony voakasika izy ireo ao anatin’izany.

Voafaritra anatin’ny Politika ankapoben’ny Fanjakana ny fahaiza-mitantana amin’ny sehatry ny harena an-kibon’ny tany, tafiditra ao anatin’izany ny ady amin’ny resaka hosoka. Ankilany, zava-poana ny ezaka atao raha mbola mitoetra sy mitohy ny resaka hosoka, hoy ny Minisitry ny harena an-kibon’ny tany RAKOTOMALALA Herindrainy Olivier izay tsy mitsahatra mampahatsiahy fa harena tsy azo havaozina ny harena an-kibon’ny tany. Nohamafisiny manoloana ireo tomponandraikitra avy eo anivon’ny ANAF sy ny Ministera ary ireo mpanatrika, fa vonona tanteraka ny departemanta izay sahaniny ny hifanome tanana amin’ny ady amin’ny resaka hosoka, fa ihany koa nosarihany ny rehetra hifototra amin’ny ady amin’izany.

Tanjon’ny roa tonta moa ny hampahomby ny paikady sy hahazoana vokatra ao anatin’ny fiaraha-miasa amin’ny ady hamongorana ny hosoka sy ny tambazotra manao izany.