Atrikasa fanamafisana ny fahaiza-manao ho an’ireo mpanao gazety amin’ny sehatra nasionaly momba ny ady amin’ny fampiasana ankizy amin’ny sehatry ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany

Ho fanohizana ny ady atao amin’ny fampiasana ankizy amin’ny sehatry ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany eto Madagasikara, indrindra ny fitrandrahana Mica any amin’ny Faritra atsimon’ny Nosy, dia nisy ny atrikasa fanamafisana ny fahaiza-manaon’ireo mpanao gazety amin’ny sehatra nasionaly eto Madagasikara, izay notontosaina tao Antsirabe, Vakinankaratra, ny 04 hatramin’ny 06 Jona 2024 lasa teo, niarahana tamin’ireo Ministera voakasika sy ireo mpiara-miombon’antoka toy ny ONG PACT sy ny Terre des Hommes.

Anisan’ireo nitondra famelabelarana nandritra izany atrikasa izany ny Tale Jeneralin’ny Harena an-kibon’ny tany Andriamatoa RAKOTONDRAVALY Désiré Alphonse, izay nitondra fanazavàna mikasika ny amin’ny tsy maintsy hanajàna ny zon’ny zaza sy ny zon’olombelona amin’ny sehatry ny harena an-kibon’ny tany eto Madagasikara, araka ny Lalàna vaovao mifehy ny harena an-kibon’ny tany laharana faha-2023-007 tamin’ny 27 Jolay 2023. Anisan’ireo lohahevitra novelabelarina ihany koa nandritra ity atrikasa ity ny anjara toeran’ny harena an-kibon’ny tany eo amin’ny lafiny fampandrosoana ara-toekarena sy ara-tsosialy an’i Madagasikara. Ankoatr’ireo dia anisan’ny noresahina ihany koa ny zava-misy amin’ny sehatry ny fitrandrahana sy fanondranana Mica eto Madagasikara, ny tombontsoa afaka ho azon’i Madagasikara amin’ny fanodinana Mica eo amin’ny Indostria elektronika indrindra amin’izao firoboroboan’ny fampiasàna ny angovo madio maneran-tany izao.

Efa nanomboka ny ady amin’ny fampiasàna ankizy amin’ny fitrandrahana Mica any amin’ny faritra atsimo, ary anisan’ny manana anjara toerana lehibe amin’izany ny Ministeran’ny Harena an-kibon’ny tany amin’ny fametrahana ireo “Zones d’encadrement”. Efa misy ny fiaraha-miasa amin’ireo Ministera hafa voakasika sy ireo mpiara-miombon’antoka, kanefa tsapa fa amin’ny maha-ady ny atao dia ilaina ny fiaraha-mientana amin’ny hery rehetra, ka izany indrindra no anton’ny nitodihana manokana tamin’ireo mpanao gazety izay manana anjara toerana lehibe amin’ny fampitàna sy fampahalalàna vaovao sy ny tena zava-misy marina, mba hanampy amin’ny fisorohana izay azo sorohina ary fanarenana sy fanitsiana izay tokony harenina sy hahitsy. 

Ny tanjona fototra dia ny mba hisian’ny fitsinjaràna ara-drariny amin’ny tsirairay ny tombony azo avy amin’ny fananan’i Madagasikara harena an-kibon’ny tany, manomboka amin’ireo mpitrandraka, ny mpividy, ny mpanodina sy mpanondrana ny vokatry ny harena an-kibon’ny tany, ary ny Fanjakàna foibe sy ny Vondrom-bahoakam-paritra itsinjaram-pahefana; nefa ihany koa ny fametrahana ireo sehatra ireo ao anatin’ny fomba fiasa madio, manaraka ny lamina sy fenitra tokony harahina ary anisan’izany ny tsy fampiasàna ankizy.

MIM/DGM