Atrik’asa nanaovana tombana ny Komity Nasionaly momba ny Ady amin’ny Fampiasana Ankizy tany Ampefy

Mpikambana mavitrika ao anatin’ny Komity Nasionaly amin’ny ady amin’ny fampiasana ankizy na Comité National de Lutte contre le Travail des Enfants (CNLTE) ny Ministeran’ny Harena an’kibon’ny Tany. Mifandraika amin’izay indrindra, dia nisy ny atrik’asa niarahana amin’ny tetik’asa “Madagascar SHINES” izay natrehan’ireo mpikambana, notanterahana tany Ampefy ny 3 hatramin’ny 6 Jona 2024 lasa teo, nanaovana tombana ny Komity Nasionaly. Atrik’asa niompana amin’ny fampiasana ny Indice de Performance des Agences Gouvernementales na GPI, fitaovana handrefesana ny fahombiazan’ny antokon-draharaham-panjakana iray eo amin’ny ady amin’ny fampiasana ankizy izay ny ONG Pact no manana ny traikefa amin’ny fampiasana azy maneran-tany. 

Tsikaritra nandritra ny atrik’asa fa mbola maro ny ezaka mila ataon’ny eo anivon’ny Komity Nasionaly hahatongavana amin’ny fahombiazana ny ady amin’ny fampiasana ankizy izay eto Madagasikara. Manoloana izay dia samy nandroso sosokevitra ny mpanatrika hanatsarana  ny fomba fiasa sy ny fandaharam-potoana fohy ezaka hahatrarana izany.