AKOM-BAOVAO DRMIM ALAOTRA MANGORO : Fampidirana ho amin’ny ara-dalàna ireo mpisehatra amin’ny harena an-kibon’ny tany tao amin’ny Andilmena

Nisy ny dinikasa niarahana tamin’ireo mpisehatra vato Malagasy sy vahiny, nahitana ireo mpitrandraka madinika, mpividy sy mpivarotra, izay natao ny Asabotsy 15 jona 2024, notarihan’ny Talem-paritra DRMIM Alaotra Mangoro tany amin’ny Kariera Antsomangana ny amin’ny fampidirana ireo mpitrandraka madinika ho amin’ny ara-dalàna izay politikam-panjakana. Izany dia notanterahana taorian’ny fidinana ifotony izay nataon’ny Fitaleavam-paritry ny harena an-kibon’ny tany Alaotra Mangoro tany an-toerana

Nampahafantarina tamin’izany ny fikarakarana ireo antotan-taratasy rehetra ilaina sy ny dingana arahana mahakasika ny fikirakirana harena an-kibon’ny tany sy ny Lalàna mifehy izany.

Tonga nanatrika izany ny Lehiben’ny Distrika Andilamena sy ny lefiny, ny Ben’ny Tanànan’ny Kaominina Bemaitso ary ny ny lefitry ny Ben’ny Tanàna Andilamena

Fampitam-baovao sy sary: Talem-paritra DRMIM Alaotra Mangoro