NANATANTERAKA FANAMBARAM-PANANANA TENY AMIN’NY BIRAO MAHALEO TENA IADIANA AMIN’NY KOLIKOLY (BIANCO) IREO TOMPONANDRAIKITRA MPITANTANA ETO ANIVON’NY MINISTERAN’NY HARENA AN-KIBON’NY TANY

Tontosa androany Alarobia 19 Jona 2024, teny amin’ny Birao mahaleo tena iadiana amin’ny kolikoly (BIANCO) eny Ambohibao ny fanambaram-pananana nataon’ireo mpitantana isan-tokony eto anivon’ny Ministeran’ny harena an-kibon’ny tany sy ny Bureau du Cadastre Minier de Madagascar, ny OMNIS, ny Laboratoire des Mines de Madagascar, izay samy ratsa mangaikan’ny Ministera. Andriamatoa RAZANANIRINA Henri, Sekretera Jeneralin’ny Ministera no nitarika ireto tomponandraikitra ireo nandritra izany.

Voafaritra ao anatin’ny Lalàna 20216-020 momba ny ady atao amin’ny kolikoly ny tsy maintsy fanaovana fanambaram-pananana ho an’ireo mpiasam-panjakana izay mitana ny asan’ny tompon’andraikitra ambony, mitovy lenta na mihoatra ny Talen’ny Ministera.

Andaniny, nambaran’ny Sekretera Jeneralin’ny Ministeran’ny harena an-kibon’ny tany fa taratry ny fahavononan’ny avy eo anivon’ity sampan-draharaham-panjakana ity hiady amin’ny kolikoly ary hampanjakana ny fitantanana madio sy mangaraharaha izao firosoana amin’ny fanambaram-pananana izao.

Ankilany kosa dia nampahafantarin’ny Tale Jeneralin’ny BIANCO, Andriamatoa ANDRIANIRINA Laza, tao anatin’ny fandraisam-pitenenany fa politikam-panjakana tafiditra ho isan’ireo fepetra napetraka hisorohana ny kolikoly no sady fampangaraharana ny fihariana harena, ho an’ireo mpiasam-panjakana voafaritra hanao izany, ny fanaovana fanambaram-pananana ara-potoana araka izay voatondron’ny lalàna.

DCRP/MIM – Juin 2024