JOURNEE AFRICAINE DE LUTTE CONTRE LA CORRUPTION

Participation du Ministère des Mines, en tant qu’acteur de la lutte contre la corruption, à la célébration de la Journée Africaine de Lutte contre la corruption, sous le thème « Mécanisme de protection efficace des lanceurs d’alerte, outil essentiel dans la lutte contre la corruption », qui s’est tenue au Ministère des Affaires Etrangères Anosy, le jeudi 11 juillet 2024.

11 Jolay 2003- 11 Jolay 2024 : 21 taona ny Fifanarahan’ny Vondrona Afrikanina mikasika ny Ady amin’ny kolikoly. Anisan’ny Firenena voalohany nanao sonia izany i Madagasikara ary nampihatra izany amin’ny alalan’ny lalàna sy fametrahana rafi-panjakana miady amin’ny kolikoly.

Nankalaza ny Andro Afrikanina amin’ny Ady amin’ny Kolikoly teny amin’ny Ministeran’ny Raharaham-bahiny i Madagasikara tamin’ny alalan’ny Adihevitra an-databatra boribory mikasika ny lohahevitra : « Fametrahana rafi-piarovana an’ireo mpitoroka », narahana fifanakalozan-kevitra tamin’ireo mpitantana ny  Andrim-panjakana sy fiarahamonim-pirenena misehatra amin’ny resaka fahitsiana sy fangaraharahana amin’ny fitantanan-draharaham-pirenena samihafa. Nisy delegasiona avy amin’ny sampan-draharahan’ny Firenena Maliana miady amin’ny fanangonan-karena tsy ara-dalàna notarihin’ny Filohany, tonga nanotrona izany hetsika izany.

Nisolo-tena ny Ministry ny Harena an-kibon’ny Tany Andriamatoa Olivier Herindrainy Rakotomalala nandritra io fivoriana sy fankalazana ny Andro Afrikanina amin’ny Ady amin’ny Kolikoly io ny Tale misahana ny Ady amin’ny Kolikoly eo anivon’ny Ministera Andriamatoa Gerald Jaonary.

Nandray anjara ihany koa ny Ministeran’ny Harena an-kibon’ny tany, tamin’ny fampirantiana sy fampahafantarana an’ireo vahiny mpitsidika, ny momba ireo andraikitra sy asa tanterahany amin’ny sehatry ny Ady amin’ny tsy fahitsiana.