AKOM-BAOVAO DIRMIM FIANARANTSOA- FARITRA IHOROMBE

Taorian’ireo fidinana ifotony intelo miantoana nataon’ny ekipa mavitriky ny Fitaleavana iraisam-paritry ny harena an-kibon’ny tany DIRMIM Fianarantsoa ny volana Mey, Jona ary Jolay ity dia nisy fihaonana tamin’ireo mpiantsehatra rehetra voakasiky ny seha-pihariana harena an-kibon’ny tany, izay notanterahan’izy ireo, tao amin’ny trano fivorian’ny Prefektioran’i Ihosy, Faritra Ihorombe  ny Alakamisy 11 jolay 2024 lasa teo.

Ankoatra ny fijerena imaso mba hahafantarana ny tena zava-misy marina iainan’ireo mpisehatra artizanaly any Ihorombe sy ny tapany atsimon’ny Haute Matsiatra, isan’ny tanjona tamin’izany fidinana ifotony izany ny fanamarinana ireo toerana hametrahana Zones d’encadrement vaovao sy andalam-panavaozana ary koa ireo vokatra harena an-kibon’ny tany trandrahana amin’izany.

 Ny tanjona tamin’ny fivoriana kosa dia ny nampahafantatra ny mpiantsehatra rehetra ireo tsara ho fantatra momba ny lalana vaovao Nº007-2023 mifehy ny harena an-kibon’ny tany.  Isan’izany ny fampahafantarana ny andraikitr’ireo ireo tomponandraiki-panjakana  ifotony isan-tsokajiny momba ny fanaraha-maso ny asan’ny mpisehatra harena an-kibon’ny tany sy ny fivezivezen’ny vokatra. Noresahana ihany koa ny mikasika ireo tamberi-bidy tokony hisitrahan’ny Kaominina sy Faritra isian’ny fitrandrahana.

Tsy misaraka amin’ny hetsika toy izao ny fanentanana ireo mpandraharaha sy mpikirakira harena an-kibon’ny tany mba hisehatra mandrakariva ao anatin’ny fanarahan-dalàna. Mifanojo indrindra amin’izany ny fametrahana ny Zones d’encadrement izay tsara ny mampatsiahy hatrany fa tafiditra ao anatin’ny fanatanterahana ny Politika ankapoben’ny Fanjakana amin’ny fanomezana tantsoroka ireo mpitrandraka mampiasa ny teknika artizanaly ho fampidirana azy ireo amin’ny sehatra ara-dalàna.

Fampitam-baovao sy sary : Tale iraisam-paritra DIRMIM Fianarantsoa

MIM/DCRP – Juillet 2024