TOROMARIKA ARAKASA TETO ANIVON’NY MINISTERAN’NY HARENA AN-KIBON’NY TANY AMPANDRIANOMBY

Taorian’ny fanendrena ny Dr RAKOTOMALALA Herindrainy Olivier ho Minisitry ny Harena an-kibon’ny tany indray dia nampivory avy hatrany ireo tomponandraikitra sy mpitantana isan-tsokajiny eto anivon’ny Ministera tao amin’ny Amphithéatre Lacroix Ampandrianomby ny tenany ny Zoma 23 Aogositra 2024.

Fisaorana ny Filohan’ny Repoblika sy ny Praiminisitra Lehiben’ny Governemanta ny amin’ny fitokisana napetraka aminy, hanohy ny fitantanana ity departemanta ministerialy ity, no nanombohan’Andriamatoa Minisitra ny fandraisam-pitenenany.

Taorian’izay dia nitodika tamin’ireo mpiara-miasa izy, nanome ireo toromarika arakasa ho fandrindràna sy fanatsarana ny fomba fiasa.Nankasitrahany ny anjara biriky sy ezaka avy amin’ny tsirairay nahavitana ireo asa efa natomboka, fa nanao antso ihany koa ny tenany ny hitohizan’ny firaisam-po sy firaisan-tsaina eo amin’ny mpiara-miasa hahatontosana ny politika ankapoben’ny Fanjakana mba ho sehatra hitondra ho amin’ny tena fampandrosoana ny firenena tokoa ny sehatry ny harena an-kibon’ny tany. Nasian’Andriamatoa Minisitra tsindrim-peo manokana moa ny amin’ny toetra amam-pihetsika entina manatanteraka ny asa izay mila atao am-pahamarinana sy am-pahamendrehana.

Nisolo tena ny rehetra nitondra ny teny firariantsoa ho an’Andriamatoa Minisitra sy ny ankohonany avy amin’ny mpiasa ny Sekretera Jeneralin’ny Ministera, RAZANANIRINA Henri Délice, nanamafy ny mbola fahavononan’ny mpiara-miasa hifanolo-tanana amin’Andriamatoa Minisitra amin’ireo asa sy fanamby ary tanjona hotratrarina.