FARITRA VATOVAVY : Fanentanana ho fametrahana « Zone d’Encadrement » hanomezana tantsoroka ireo mpitrandraka mpisivam-bolamena tao Ambodilafa Nosy Varika

Ao anatin’ny fanatanterahana ny Politika ankapoben’ny Fanjakana, tanterahan’ny Ministeran’ny harena an-kibon’ny tany, ho fampidirana amin’ny sehatra ara-dalàna sy fanaovana matihanina ireo mpitrandraka artizanaly sy mpisivam-bolamena, dia mitohy ny asa fametrahana faritra fitrandrahana antsoina hoe « Zone d’encadrement » manerana ny Nosy mba hanomezana tantsoroka azu ireo.

Ny Zoma 23 Aogositra 2024 teo dia nisy ny fidinana ifotony tao amin’ny Fokontany Ambohitsara, Kaominina Ambodilafa, Distrika Nosy-Varika izay notanterahan’ny Talem-paritry ny harena an-kibon’ny tany DRMIM Vatovavy. Niara-dia tamin’izany ihany koa ny Sefo Fokontany sy ny Ben’ny tanàna an’Ambodilafa.

Fampahafantarana sy fanentanana no niompanan’ny fihaonan’ireto tomponandraikitra ifotony ireto sy ireo mpitrandraka harena an-kibon’ny tany mampiasa ny teknika artizanaly. Araka izany :

-Nampahafantarina azy ireo ny momba ny Lalàna mifehy ny harena an-kibon’ny tany.

-Nohazavaina ihany koa ireo toromarika rehetra mba hahafahan’izy ireo manatanteraka an-kalalahana ny asa fivelomany, dia ny fisivanam-bolamena

-Nentanina araka izany izy ireo hiditra amin’ny ara-dalàna ary nampahafantarina an’izy ireo ny tombontsoa ho azon’izy ireo sy fipakan’izany eny ifotony, ho an’ny kaominina misy azy.

-Nentanina koa ny rehetra mba hitandro ny fanajana ny tontolo iainana sady tsy hampiasa zaza tsy ampy taona.

Nanamarika ny fihaonana ny fandraisana anjara mavitrika avy amin’ireo mpitrandraka nanaovana fanentanana ary naneho ny fahavononana hiroso amin’ny sehatra ara-dalàna izy ireo ka hanatona ny sampandraharaha miandraikitra izany.

Fampitam-baovao sy sary : Talem-paritra DRMIM Vatovavy

MIM/DCRP – Août 2024