ATRIKASA FANAMAFISANA NY ADY AMIN’NY KOLIKOLY AMIN’NY FIAROVANA SY FITANTANANA NY LOHARANONKARENA VOAJANAHARY- HARENA AN-KIBON’NY TANY
« Manamafy ny fiadiana amin’ny kolikoly amin’ny fiarovana sy ny fitantanana ny loharanon-karena voajanahary »
Tonga nanotrona sy nandray anjara nandritra ny Atrikasa fakan-kevitra izay nifantoka tamin’ny ady amin’ny kolikoly amin’ny fiarovana sy ny fitantanana ny loharanonkarena an-kibon’ny tany, nokarakarain’ny Komity Mpitarika ny famolavolana ny Paikadim-pirenena vaovao iadiana amin’ny kolikoly SNLCC ny Zoma 18 Oktobra 2024, ireo mpisehatra amin’ny harena an-kibon’ny tany. Isan’ireo namaly ny antso tamin’izany ireo tomponandraikitra vitsivitsy avy amin’ny Ministeran’ny Harena an-kibon’ny tany, notarihan’ny Minisitra RAKOTOMALALA Herindrainy Olivier.
« Vaindohan-draharaha ho an’ny sehatry ny harena an-kibon’ny tany ny firosoana sy fanamafisana ny ezaka efa natomboka ho an’ny ady amin’ny kolikoly », raha ny nambaran’ny Minisitra izay misahana ity departmenta ity.
Maromaro ireo ezaka notanterahana teo anivon’ny Ministeran’ny harena an-kibon’ny tany hisorohana sy hiadiana amin’ny kolikoly, mba hisian’ny fangaraharahana. Ampahany amin’izany ny fametrahana antokon-draharaha hisorohana sy hiadiana amin’ny kolikoly, ny fiaraha-miasa amin’ireo antokon-draharaha miady amin’ny kolikoly, ny fanohanana amin’ny fampiodinana ara-dalàna ny EITI Madagascar. Ary fanavaozana lehibe entin’ny Fehezan-dalàna vaovao mifehy ny harena an-kibon’ny tany ny fampihenana ny fifandraisana amin’ny fikarakarana sy ny fikirakirana antontan-taratasy eo amin’ny mpandraharaha sy ny mpiasam-panjakana, ohatra ny amin’ny fangatahana fahazoan-dalana, izay hatao an’habaka hisorohana sy hiadiana amin’ny tranga-na kolikoly.
« Mora ny mandresy ny kolikoly raha miara-mientana sy manambatra ny hery rehetra, hoy Ramatoa RABENARIVO Sahondra, Filohan’ny Komity mpandrindra sady mpitantana ny Komity ho amin’ny fitandroana ny fahitsiana na ny Comité de Sauvegarde de l’Integrité CSI
Sehatra maro no voakasika sy nandray anjara amin’ny atrikasa marolafy natao. Tanjona ny hampandraisana anjara misimisy kokoa ny sampan-draharaham-panjakana sy ireo mpisehatra isan-tokony hahafahan’izy ireo mandroso hevitra sy handravonana ireo tsoa-kevitra ho amin’ny famolavolana ny Paikady nasionaly vaovao hiadiana amin’ny kolikoly fa indrindra ihany koa ny fampandehanana sy fampiharana izany, araka ny fanazavana. Nanomboka omaly 17 Oktobra ary nitohy androany ity atrikasa fakan-kevitra tamin’ny sehatry ny harena voajanahary ity. Nisy ny tolo-kevitra maromaro natolotra isaky ny lohahevitra tsirairay izay hampidirina ao anatin’ny paikadim-pirenena vaovao iadiana amin’ny kolikoly, araka ny voambara hatrany.