ATRIKASA FAKAN-KEVITRA MIKASIKA NY FANAVAOZANA NY LALÀNA MOMBA NY FITRANDRAHANA GOAVANA

Taorian’ny fanavaozana ny lalàna vaovao mifehy ny harena an-kibon’ny tany, lalàna 2023-007, dia tsy azo ihodivirana ihany koa ny fanavaozana ny lalàna momba ny fitrandrahana goavana ahafahana mitondra fanatsarana mifandraika amin’ny vanim-potoana ankehitriny sy ireo fepetra voafaritry ny lalàna mifehy ny harena an-kibon’ny tany manan-kery amin’izao fotoana. Manoloana izany dia nikarakara atrikasa marolafy nifototra tamin’ny lohahevitra maromaro nampandraisana anjara ireo rehetra voakasika ny Ministeran’ny harena an-kibon’ny tany, ny Alatsinainy 02 Desambra 2024, teny amin’ny Mining Business Center eny Ivato. Tanjona ny hijerena ny tombontsoan’ny mpiantsehatra isan-tokony, ny hampifanindran-dalana ny lalàna momba ny fitrandrahana goavana amin’ny fanamby imasoan’ny sehatry ny harena an-kibon’ny tany, ny handraisan’izany anjara amin’ny fanatanterahana ny Politika ankapoben’ny Fanjakana izay mikendry ny hisian’ny tetikasa goavana miisa 20 eto amintsika ao anatin’ny 5 taona ho avy. Aorian’ny fandravonana ireo tolo-kevitra sy fanatsarana nentin’ireo mpandray anjara tamin’ny atrikasa izay avadika ho volavolan-dalàna dia handalo ireo antanan-tohatra mahefa amin’ny fampandaniana azy io volavolan-dalàna io.