FITOKANANA NY LABORATOIRE D’ESSAIS GEOLOGIQUES DU HUNAN A MADAGASCAR SY NY STATION DE TRAVAIL EN AFRIQUE
IVATO, 05/12/2024- Notokanana ny Alakamisy 05 Desambra 2024, teny Ivato ny fotodrafitrasa vaovao ahitana ny « laboratoire d’essais géologiques » an’ny Hunan sy ny « Station de travail » ho an’ny Africa, izay samy napetraka eto Madagasikara.
Vokatry ny fifampiraharahana teo amin’ny roa tonta, taorian’ny fandalovan’ny Filohan’ny Repoblika Andry RAJOELINA tany an-toerana, sy nangatahany ny hametrahana ny Station Afrique eto Madagasikara, dia nanapa-kevitra hanatanteraka izany ny Institut de la Géologie de Hunan, araka ny nambaran’izy ireo.
Nomarihan’ ny Minisitry ny Harena an-kibon’ny tany RAKOTOMALALA Herindrainy Olivier fa tombony lehibe ho an’ny firenena malagasy ny fanananana izao fotodrafitrasa ahitana fitaovana hary fomba isan-karazany, hahafahana manao ny fitiliana avo lenta ny singa sy akora isan-karazany toy ny tany, ny rano, ny vato sns.
Dingana iray maneho ny fampandrosoana ny fiaraha-miasa amin’ny firenena sinoa ny fametrahana izao fotodrafitrasa goavana izao, ary ho antsika Malagasy manokana dia hahazo tombony isika satria hanampy tosika amin’ny fampiroboroboana haingana ny fikarohana momba ny harena an-kibon’ny tany
Zava-dehibe ho an’i Madagasikara ny fampitomboana ny fahalalana ny otrikarena ananany, na amin’ny habetsahany na momba ny kalitaony. Manan-danja torak’izany koa ny fikirakirana ireo angona sy atontan-kevitra efa azo, ka dingana manaraka aorian’izao ny fifanaraham-piaraha-miasa vaovao, isan’izany ny fananganana laboratoaran’ny harena an-kibon’ny tany ho an’i Madagasikara, manaraka ny fenitra iraisam-pirenena.