FAMINDRAM-PITANTANANA ETO ANIVON’NY MINISTERAN’NY HARENA AN-KIBON’NY

Tontosa teto amin’ny Amphithéâtre Lacroix Ampandrianomby, androany Zoma 06 Desambra 2024, ny fifamindram-pitantanana teo amin’ Andriamatoa KOTOSON Andriambololona Seth, Tale teo aloha misahana ny « Direction des Affaires Juridiques » eto anivon’ny Ministeran’ny harena an-kibon’ny tany sy Andriamatoa RAKOTONIRINA ANDRIAMALALA Jean Christian, Tale vaovao voatendry hisahana ity Fitaleavana ity araka ny tinapaka teo anivon’ny Filankevitry ny Minisitra ny Alarobia 04 Desambra 2024 lasa teo.

Nanatrika ny famindram-pitantanana teo amin’ny roa tonta ny Minisitry ny harena an-kibon’ny tany RAKOTOMALALA Herindrainy Olivier sy ireo tomponandraikitra isan-tsokajiny ary ireo mpiasa eto anivon’ny Ministera.

Nisaotra ny Tale teo aloha tamin’ny asa vitany Andriamatoa Minisitra ary nirary soa azy amin’ny andraikitra hosahaniny no sady nankahery ny Tale vaovao amin’ny adidy hiantsorohany ho an’ny firenena.

MIM/DCRP-Décembre 2024