FARITRA MENABE : ATRIKASA FAKAN-KEVITRA MAHAKASIKA NY SEHA-PIARIHANA VOLAMENA TAO DABOLAVA, MIANDRIVAZO
Ho tohin’ny ezaka hametrahana ny rojom-pamatsiana volamena tomponandraikitra (« Chaine d’approvisionnement en or responsable ») ao amin’ny Kaominina ambanivohitra Dabolava, Distrikan’i Miandrivazo, Faritra Menabe, dia nisy ny atrikasa fakan-kevitra izay nokarakarain’ny Ministeran’ny Harena an-kibon’ny tany ary notohanan’ny PNUD natao ny Alarobia 27 Novambra 2024 teo an-tananan’i Dabolava ka nentina nakàna ny hevitr’ireo Mpisehatra eny ifotony mikasika ny seha-pihariana volamena.
Nitarika ny Delegasionan’ny Ministeran’ny Harena an-kibon’ny tany nanatontosa izany tany an-toerana ny Tale Jeneralin’ny Harena an-kibon’ny tany Andriamatoa RAKOTONDRAVALY Désiré Alphonse (DGM) sy ny Talem-paritry ny Harena an-kibon’ny Tany DRMRS Menabe NOMENJANAHARY Limbisoa Ernestine.
Nandritra ity atrikasa ity no nitondra ny fomba fahitàny ny toe-javamisy eny an-toerana ny solon-tenan’ireo mpisivam-bolamena sy mpitrandraka volamena, ireo mpandanja sy mpanangona volamena ary ireo tomponandraikitra isan-tokajiny eo anivon’ny Kaominina ambanivohitra Dabolava. Tao anatin’izany ihany koa no nandraisana ny fanamarihana ary soso-kevitra isan-karazany entina hanatsarana ny fitantanana ny seha-pihariam-bolamena ao Dabolava, mba hahafahan’ny mpisehatra rehetra misitraka ny tombontsoa azo avy amin’ny fananan’ny kaominina Volamena ary mampandroso sy mikajy ihany koa ny tontolo manodidina azy ireo.
Mbola mitohy ny fandinihana izay ahafahana manatsara ity seha-pihariana Volamena ity ary mbola hisy ihany koa tsy ho ela ny atrikasa fakàna ny hevitry ny mpisehatra sy mpiara-miombon’antoka samihafa amin’ny sehatra nasionaly hahafahana miroso amin’ny fandrafetana ny paikady sy drafitrasa ho fametrahana ny rojom-pamatsiana volamena tomponandraikitra.
Fampitam-baovao sy sary : DGM