Nisy ny fitarainana nataon’ny orinasa QMM momba ny tranga miseho ao anaty fari-pitrandrahan’izy ireo

Raha ny voalaza dia ny fasika misy ilmenite an’ny QMM no alain’ny orinasa izay mamboatra ny lalam-pirenena RN12A hampiasainy amin’ny fanamboaran-dalana.

Ny 13 Desambra 2024 dia nisy ny fidinana ifotony fitadiavam-bahaolana notarihan’ny Ministera tomponandraikitra. Novoriana teny amin’ny toerana nitrangan’ny olana ireo ankolafy voakasika, nialohavan’ny fivoriana niarahana tamin’ireo tomponandraiki-panjakanasamihafa eto Taolagnaro, ka isan’izany ny Governoran’ny Faritra Anosy, ny Préfet Taolagnaro.

Nampahafantarina ny orinasa fa tafiditra ao amin’ny fari-pitrandrahan’ny QMM io toerana io ary nomena azy ireo ny saritany mamaritra izany.

Nanome toromarika ny Minisitry ny harena an-kibon’ny tany RAKOTOMALALA Herindrainy Olivier, fa raha toa mila “gite d’emprunt” ny orinasa manao lalana dia mila manao fangatahana eo anivon’ny Kaominina. Ity farany dia mangataka avis technique amin’ny Ministera tomponandraikitra raha toa tafiditra anaty fari-pitrandrahan’ny QMM ny toerana angatahana hametrahana an’izany.

Nanome toky ny tomponandraikitry ny orinasa mpanao lalana fa tsy hamerina intsony ary hanaraka ny lalàna sy fepetra rehetra amin’ny manaraka.