FARITRA VATOVAVY : Famaritana faritra hanomezana tantsoroka ny mpitrandraka artizanaly ao amin’ny vohitra Ambodinato, Kaominina Vohilava

Paikady tanterahan’ny Ministeran’ny harena an-kibon’ny tany, ho fampidirana ireo mpitrandraka harena an-kibon’ny tany madinika sy volamena amin’ny sehatra manara-drafitra, ny fametrahana faritra hanomezana tantsoroka azy ireo, antsoina hoe « Zone d’encadrement » na ZE. Manerana ny Nosy no anatanterahana an’izany ary ireo teknisianin’ny Ministera no manome tantsoroka momba ny lafiny fitantanana, teknika, fanarahana ny lalàna, ny fanajana ny tontolo iainana sns.

Ny faha-05, 06, 07 Desambra 2024 lasa teo dia nanatanteraka ny famaritana ny faritra hanomezana tantsoroka an’ireo mpitrandraka artizanaly ny ao amin’ny Fitaleavam-paritry ny harena an-kibon’ny tany DRMIM Faritra Vatovavy sy ny teknisianina ao amin’ny BCMM Manakara ao amin’ny vohitra Ambodinato, Fokontany Ambalamasa, Kaominina Vohilava, Distrika Mananjary

Vokatry ny fanentanana efa natao tany an-toerana dia tanteraka izany, tao amin’ny vohitra Ambodinato, Fokontany Ambalamasa, Kaominina Vohilava, Distrika Mananjary. Nandray anjara tamin’izany ny Ben’ny Tanàna an’ny Vohilava, ny Sefom-pokontany ary ireo mpitrandraka artizanaly.

Fampitam-baovao sy sary : Talem-paritra DRMIM Vatovavy