FAMPITANA AM-BAVA MOMBA NY BASE TOLIARA NANDRITRA NY FILAN-KEVITRY NY MINISITRA NATAO NY 08 JANOARY 2025

Isan’ny nandraisan’ny Minisitry ny harena an-kibon’ny tany RAKOTOMALALA Herindrainy Olivier fitenenana ny fanampim-panazavana momba ny Tetikasa Base Toliara. An-tapitrisany maro no vola ho azo avy amin’ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany, tafiditra amin’izany ny Tetikasa Base Toliara any amin’ny faritra Atsimo Andrefana.

Maromaro ireo teboka noresahana nahitana:

Ny mombamomba ny Tetikasa : toeram-pitrandrahana, fomba fitrandrahana, lafiny tontolo iainana, fotodrafitrasa vaovao hamboarina

Ny mampiavaka ny Tetikasa amin’ireo izay fitrandrahana vaventy efa nisy teo aloha

Ireo fampidiram-bola ho azo avy amin’ny Tetikasa (haba sy hetra)

Indro zaraina aminao an-tsary ireo andinindininy momba izany.

1- Fitiavan-tanindrazana goavana no nasehon’ny Filohan’ny Repoblika Andry RAJOELINA nandritra ny fitarihana mivantana ny fifampiraharahana ka ny tombontsoan’ny Firenena sy ny vahoaka Malagasy no natao laharam-pahamehana.

2 – Afaka manohy ny asany sy mivezivezy amin’ny Morontsiraka ny mpanjono satria tsy isan’andro ny asa fitrandrahana.

  • Tsy misy tanàna tafiditra ao anatin’ny fitrandrahana fa any amin’ny 1,5km avaratry ny fitrandrahana no misy ny tanàna akaiky indrindra, any amin’ny 20 km no misy ny alan’ny Mikea, ary any amin’ny 20km Atsimon’ny tanànan’ny Mikea no hisy ny fitrandrahana.

3- Filankevitry ny Minisitra 27/11/2024 no nanafoanana ny fampiatoana ny momba ny Tetikasa fitrandrahana fasimainty ataon’ny orinasa Base Toliara izay niato efa hatramin’ny taona 2019.

Tafiditra amin’ny fampiroboroboana ny fitrandrahana vaventy izay voafaritry ny Politika ankapoben’ny Fanjakana ny tetikasa

4- Mbola hisy ny « complément d’études » ataon’ny tetikasa.

  • Jerena ihany koa ny lafiny tontolo iainana mba tsy hisian’ny ahiahy amin’ny mponina

5- Tsy hampiasa ny seranantsambon’i Toliara fa hanao « jetée » ao Avaratr’i Toliara ny tetikasa ka any no hisian’ny fanondranana.

6- isan-jaton’ny tany alaina ihany no misy ny akora ka izay tany avy naodina dia averina amin’ny toerana nangalàna azy, ny 94 isan-jato tsy ampiasaina.

  • Hisy lalana manokana hitaterana ireo vokatra fa tsy hanelingelina ny lalam-pirenena fahasivy (RN9).

Hahatratra 5.000 eo ny asa hiforona ka ny 80 isanjaton’ny mpiasa dia teratany araka izay voarafitra ao anatin’ny lalàna vaovao mifehy ny harena an-kibon’ny tany ary tsy maintsy manao fampitana fahaiza-manao ny orinasa.

7- IREO VOLA AZO AVY AMIN’NY TETIKASA (HABA SY HETRA)

  • 700 tapitrisa dolara ny fampiasam-bolan’ny tetikasa.
  • 80 tapitrisa Dolara izany hoe 400 miliara Ariary no fampiasam-bola avy any ivelany mitsinjara ho 40 tapitrisa dolara ho an’ny tetikasa Nasionaly, 40 tapitrisa dolara hamatsiana ny faritra Atsimo Andrefana hanaovana asa fampandrosoana araka ny laharam-pahamehana.
  • 4 tapitrisa dolara isan-taona mitombo 2% isan-taona ho an’ny kaominina voakasika mivantana.
  • Mitentina 180 tapitrisa dolara isan-taona ny hetra sy tamberim-bidy rehefa tena mihodina ny orinasa (vitesse de croisière) ao anatin’ny 7 taona eo raha ela indrindra.
  • Tafiakatra hatrany amin’ny 5 miliara dolara ny vola hiditra amin’ny Fanjakana mandritra ny 38 taona hisian’ny tetikasa