FARITRA AMORON’I MANIA : NANDRAY ANJARA TAMIN’NY FAMPIOFANANA IREO BEN’NY TANANA 61 IZAY NOKARAKARAIN’NY GOUVERNORAT SY NY PRÉFECTURE NY FITALEAVAM-PARITRY NY HARENA AN-KIBON’NY TANY
Antamponivinany 18 febroary 2025
Nandray anjara tamin’ny fampiofanana ireo Ben’ny Tanàna miisa 61, izay nokarakarain’ny Gouvernorat sy ny Préfecture ny Fitaleavam-paritry ny Harena an-kibon’ny tany Amoron’i Mania. Noresahana nandritra ny fizarana nataon’Andriamatoa Andrianarison Manda Talem-paritra DRMIM Amoron’i Mania : Fanazavana ny anjara asan’ny kaominina mahakasika ny fitakiana ny « Ristourne et redevance Minière » Fampahafantarana ireo lalàna mifehy ny harena an-kibon’ny tany. Fanazavana ireo fahazoan-dalana samihafa sy ireo tokony hatao ahafahana mitsirika, mitrandraka, manodina,mivarotra sy mividy ary manondrana. Niresaka ny mahakasika ny fampidirana ireo mpitrandraka any ifotony ho amin’ny sehatry ny ara-dalàna na ny » zone d’encadrement »
Fampitam-baovao sy sary : Talem-paritra DRMIM AMoron’i Mania