FANGARAHARANA EO AMIN’NY SEHATRY NY FANDRAHARAHANA NY HARENA AN-KIBON’NY TANY ETO MADAGASIKARA : NATOLOTRA TAMIN’NY FOMBA OFISIALY NY TATITRA EITI 2022

Iray amin’ireo andry telo ifotoran’ny Politika ankapoben’ny Fanjakana ary imasoany ny resaka fangaraharana eo amin’ny sehatra isan-tokony. Ny EITI Madagascar no ratsa mangaikan’ny Ministeran’ny harena an-kibon’ny tany miantsoroka an’izany raha ho an’ity seha-pihariana ity manokana.

Mifanandrify amin’izay indrindra dia notanterahana teny amin’ny Mining Business Center Ivato androany Alakamisy 20 Febroary 2025 ny fanolorana ampahibemaso tamin’ny fomba ofisialy ny tatitra EITI ho an’ny taona 2022.

Fanoitra no sady sehatra mitondra anjara biriky ho an’ny fampandrosoana ara-toekarena ny seha-pihariana harena an-kibon’ny tany. Porofon’izany dia tsy mitsaha-mitombo ny fandraisan’anjaran’ity seha-pihariana ity amin’ny toekarena. Saika efa ho ny antsasaky ny fanondranana natao tamin’ny taona 2022, izany hoe ny 43,80% no avy amin’ny seha-pihariana harena an-kibon’ny tany, izay mandrafitra ny 4,50 isan-jaton’ny harikarena faobe hatreto.

 » Ilaina ny Fenitra (EITI) hahitana ny tamberin’andraikitra avy amin’ireo orinasa misehatra amin’ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany, ny vola miditra amin’ny fanjakana azo avy amin’izany, ho antoka hisintomana mampiasa vola hamadika ireo otrikarena ho lasa harena isitrahan’ny rehetra tombontsoa fa indrindra ny vahoaka amin’ny maha harena tsy azo havaozina ny harena an-kibon’ny tany « ,raha ny nambaran’ny Minisitra sady « Champion EITI », ny Dr RAKOTOMALALA Herindrainy Olivier.

Notsindriany manokana fa tsy mandeha irery ny Fanjakana amin’ny fampiharana ny mangaraharaha takian’ny fenitra izay eo amin’ny seha-pihariana harena an-kibon’ny tany fa miara-dalana amin’ny sehatra tsy miankina, ny firaisamonim-pirenena, ny orinasa mpisehatra izay samy manana solotena avy, mandrafitra ny Komity nasionalin’ny fenitra EITI Madagasikara, raha ny fanazavany hatrany.

Tsiahivina fa ny taona 2008 i Madagasikara no niditra tao anatin’ny fenitra izay misy firenena 54 mpikambana hatramin’izao. Tao anatin’ny 15 taona naha mpikambana dia ity tatitra 2022 izay nivoaka ny faran’ny volana Desambra 2024 teo ity no tatitra faha 11 vitantsika raha toa ka any amin’ny voalohandohan’ny taona 2027 any indray no handalo fankatoavana fahaefatra i Madagasikara.

MIM/DCRP – Février 2025