FITALEAVAM-PARITRY NY HARENA AN-KIBON’NY TANY VAKINANKARATRA SY BCMM ANTSIRABE
Nanatanteraka fambolen-kazo tao amin’ny Kaominina Ambanivohitra Alatsinainy Ibity, Fokontany Mananjara ny Fitaleavam-paritry ny harena an-kibon’ny Tany DRMIM Vakinankaratra sy BCMM Antsirabe ny Zoma 28 Febroary 2025.
Fambolen-kazo izay niarahana tamin’ireo mpisehatra amin’ny Harena an-kibon’ny Tany rehetra eto Vakinankaratra, ary notronin’ny Lefitry ny Ben’ny Tanàna Alatsinainy Ibity sy ny Sefo Fokontany ao Mananjara.
Zanakazo 1000 isa no novolena tamin’izany, nahitana Acacia, Fraxinus (Frêne), Ligustrum (Troène)
Resy lahatra ireo mpisehatra eo amin’ny Harena an-kibon’ny Tany amin’ny fikajiana ny tontolo iainana ka tonga maro ary navitrika nanatanteraka izany fambolen-kazo izany.
Nivoitra tamin’ny lahatenin’ny Talem-paritra DRMIM Vakinankaratra ny fikajiana hatrany ny tontolo iainana, araka ny teny filamatry ny fambolen-kazo manao hoe: “Ny Ala no antoky ny angovo” dia nanentana hatrany ny mpisehatra rehetra ny Taleam-paritra mba hanaja sy hitandro ny tontolo iainana, hamboly hazo sy hikojakoja izany satria tsy ny fanatsatohana an’ireny zanakazo ireny ihany no atao hoe fambolen-kazo fa ny fikarakarana sy fikojakojana azy ireny ihany koa mba ho tonga hazo, ho tonga ala mba ho tonga amin’ilay tanjona napetraka hoe: “Ny Ala,antoky ny Rano sy ny Angovo”. Ny Ala tokoa no fototry ny rano ary ny rano no tena antoky ny fianinantsika olombelona iray manontolo.
Faly sy ravo ireo mpisehatra noho ny fiaraha mientana tamin’ny fanantanterahana izany fambolen-kazo izany ka taorian’ny fambolen-kazo dia nampiseho dihy mirindra ireo mpisehatra amin’ny Harena an-kibon’ny Tany avy ao amin’ny “Groupement des Opérateurs Miniers STONE” izay mpivarotra vato ao amin’ny Cercle Mess Antsirabe nanehoan’izy ireo izany fifaliany izany.
Nofaranana tamin’ny fizarana sakafo maivana sy zava-pisotro moa izany fiarahana namboly hazo izany.
Fampitam-baovao sy sary : Talem-paritra DRMIM Vakinankaratra